• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 16, 2025

🏗️ Andriamanitra manangana ny finoanao

Andro namoahana Jon 16, 2025

Tonga amin’ny famaranana ity andian-dahatsoratra ity isika, izay ahitana ny fiafaran’ny andininy(1 Petera 5:10) manao hoe: “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.” (1 Petera 5:10).

Nandritry ny andro vitsivitsy dia nahita isika fa :

Andriamanitra dia manome anao foana ny fahasoavany mba hiatrehanao ireo fitsapana sy fahoriana rehetra izay mamely anao.

Andriamanitra dia mampiasa ireo fitsapana ireo mba hahafahanao mahatsapa ny voninahiny eo amin’ny fiainanao, ka hahafahanao manatanteraka ny antsonao.

Tsy hosedrainy mihoatra noho izay zakanao ianao, ary ao anatin’izany dingana izany izay tsy maharitra dia Izy no mikarakara anao.

Amin’ny alalan’ireo fitsapana ireo, dia Izy no mahalavorary anao sy manamafy ny finoanao.

Ampitomboiny koa ianao ary ampahatanjahany amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao amin’ny alalan’ireo fitsapana ireo.

Ity andalan-teny ity dia mifarana amin'ny filazana fa Andriamanitra dia mampiorina anao tsy ho voaozongozona amin'ny alalan’ny fitsapana. Ny sary eto dia maneho ny trano iray: rehefa mahatsapa ny fandresen'Andriamanitra ao anatin'ireo fahoriana ireo isika, dia miha-miorina hatrany amin'ny fototry ny finoantsika an'Andriamanitra.

Misy dikan-teny hafa koa milaza fa amin’ny alalan’ny fitsapana no “hametrahan’Andriamanitra antsika amin’ny fototra mafy orina”. (1 Petera 5:10).

Eny, miaina ny valin-tenin’Andriamanitra isika ary mahatsapa ny fiadanany mandritra izany dingana izany. Izany rehetra izany dia mahatonga ny finoantsika ho lasa marin-toerana kokoa, matanjaka ary maharitra.

Finoana nosedraina tamin'ny fotoana sy ny ady maro, izay loharanon'ny traikefa sy fijoroana vavolombelona maro. 

Izany no vokatra farany amin'ny fitsapana eo amin'ny fiainanao : omeny anao ny “porofo” fa misy Andriamanitra, mahatoky Izy, momba anao amin'ny toe-javatra sarotra rehetra ary tsy mandao anao mihitsy. Ary manome hery vaovao ho anao hatrany izany mba ahafahanao manohy ny fandrosoana !

Ry namako, ny fitsapana tsirairay dia manorina anao bebe kokoa amin'ny fototry ny fiainanao dia i Kristy izany !

Anio, mazotoa misaintsaina izay tanterahin'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao tamin'ny alalan'ireo sedra nolalovanao ary mikikira amin'ny Heriny! Andriamanitra dia manao zavatra mahafinaritra eo amin'ny fiainanao, ary ary hanohy izany Izy ho voninahitry ny Anarany.

Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.