✨Andriamanitra dia manova ny fahorianao ho lasa fijoroana vavolombelona !

Mbola manohy mandinika ity fanontaniana lehibe amin’ny fiainantsika ity isika : ahoana no hiatrehantsika ny fahoriana ary hahazoantsika fandresena.
Hoy ny andininy izay hodinihintsika hoe : “Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy… ” (1 Petera 5:10)
Omaly, nijery isika ny fomba nametrahan’Andriamanitra ny fahasoavany rehetra ho antsika, sy ny hery tsy zakan’ny sain’olombelona entin’izany.
-
Ny fahasoavany no namonjena antsika sy nampiova antsika tanteraka noho ny asan’ny Fanahy Masina.
-
Ny fahasoavany koa no ahafahantsika miaina ny herin’ny lanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ka mamoaka amin’ny fetra maha-olombelona antsika.
-
Ary noho ny fahasoavany sy ny hatsaram-pony ihany koa no ahafahantsika mandresy, na inona na inona fahoriana atrehintsika.
Omeny antsika ny fahasoavany, ary manana tanjona mazava Izy amin’izany : mba hanovana ireo fahoriana tian’ny fahavalo hampitondraina antsika ho fotoana hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra.
Diniho kely anie: amin’ny fotoana toy inona no niainanao fandresena lehibe indrindra teo amin’ny fiainanao ? Ary ny fijoroana vavolombelona lehibe indrindra ? Tamin’ny fotoan-tsarotra, sa tamin’ny fotoana nilamina ?
Tsy isalasalana fa tsy maintsy hoe tamin’ny fotoan-tsarotra. Satria tsy afaka mandresy ianao raha tsy misy ady atao.
Amin’ny lafiny ara-panahy, rehefa mandresy ny laingan’ny aizina isika eo anivon’ny fotoan-tsarotra, ka mihazona mafy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia afaky ny hiaina ny fandresena izay manosika ny finoantsika tsy misy toy izany. Eo no iorenan'ny fijoroana vavolombelontsika!
Ry namako, tian’Andriamanitra mba ho fotoana hiainanao ny voninahiny ny fahoriana atrehinao ! Anio, aza mibanjina ny tafio-drivotra, fa banjino Jesosy, ary mandehana eny ambonin’ny rano amin’ny finoana sy fahavononana.
Ny zava-mitranga atrehinao amin’izao dia ho lasa fijoroana vavolombelona hafa indray, haneho ny hatsaran’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao !Mino an’izany aho ary mivavaka ho anao amin’ny Anaran’i Jesosy.Ianao dia fahagagana !

