• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mar 31, 2026

☝ Andriamanitra dia maniry zavatra avy aminao…

Andro namoahana Mar 31, 2026

Inona no fihetsikao voalohany rehefa mahazo vaovao tsara ianao ?

Maika hitantara izany amin’olona iray ianao ! Ary rehefa mahazo vaovao ratsy ? Mitady olona hiresahana koa ianao !

Napetrak’Andriamanitra tao anatintsika io filàna hifampiresaka io. Ary tsy kisendrasendra izany, satria Izy koa te hifandray aminao, tahaka ny naniriany hifandray tamin’ny olombelona hatrany am-piandohana. Izany no namoronany antsika. Tiany ny hiaraka amintsika !

Tamin’ny andron’i Adama sy Eva dia voasoratra hoe : “Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro.” (Genesisy 3:8)

Teo fotsiny Andriamanitra !

Heverinao ve fa tamin’izany fotoana izany i Adama sy Eva efa nanana olana tamin’ny fitaizana zanaka ka nila valiny avy amin’Andriamanitra ?

Tsia e ! Tsy mbola nanan-janaka akory izy ireo tamin’izany fotoana izany !

Angamba ve izy ireo nanontany Azy hoe ahoana no handoavana faktiora ?

Tsia, satria nomen’Andriamanitra azy ireo ny zava-drehetra. Tsy nisy krizy tao an-tokantrano, tsy nisy olana hafa.

Teo Andriamanitra satria te hiaraka tamin’izy ireo Izy. Toy izany koa aminao. Tiany ny hiaraka aminao !

Ka manontany anao aho :

“Tianao ve ny hiaraka fotsiny amin’Andriamanitra ?”

Aza kivy raha tsy afaka mamaly mazava hoe “eny” ianao anio. Angamba mbola tsy niaina ilay fahatsapana hoe ahoana izany “miaraka amin’Andriamanitra” izany ianao, ary ny hatsaran’ny fandaniana fotoana tsotra miaraka Aminy.

Raha izany no izy, dia manoro hevitra anao aho : “raha mivavaka dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina…” (Matio 6:6)

Hahita valiny manokana amin’io fanontaniana io ianao. Ho takatrao fa tena sarobidy ny fiombonana amin’Andriamanitra. Izy mihitsy no hametraka ao am-ponao ny faniriana hanatona Azy bebe kokoa… ka haniry handray bebe kokoa ianao.

Avelao Izy hanaitra anao…

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.