Andriamanitra dia maniry ny hijoroanao ry namako
Manahoana ianao ry Namako,
Amin’ny maha Pastera ahy dia misy manontany ahy matetika hoe fa maninona Andriamanitra izay fitiavana no mamela antsika ho tafintohana sy ho lavo indraindray… Dia isika maninona no mamela antsika hianjera raha toa ka tian’Andriamanitra hijoro isika ?
Jakoba, rahalahin’i Jesosy dia efa namaly an’io fanontaniana io. Mba hampaherezana ireo mpino ao amin’ny fiangonana ao Jerosalema izay nandalo fitsapana sy fakampanahy isan-karazany, dia nanoratra ho azy ireo i Jakoba hoe :
“Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa ianareo, satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.” (Vakio Jakoba 1.2-4.)
Mampahery antsika eto Madagasikara koa izany. Marina fa mety mafy ny atrehina sy ny tsapa fa mila mahatoky fa ilay Rainao izay tanteraka no hampiasa izany olanao izany mba hamolavolana ny toetranao hatoky Azy.
Anio ary, misafidiana ny hatoky an’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra ! Andriamanitra dia maniry ny fihenan’ny olanao ! Mitranga izany rehefa manamafy ny toetranao misimisy ao amin’i Kristy ianao. Ry namako, lavo ny fanamelohan-tena ary raiso ny fandresen-dahatra avy amin’ny Fanahy Masina. Eo Izy hanampy sy hanolotsaina anao. Raha tafian-jera amin’ny tany ianao, dia miarena indray, mianara ary ampiharo izay lazainy.
Tonga ny andron’ny fandresena. Lavo ny marina fa miarina indray izy.
Misaotra fa misy ianao !