Andraso !
Vao haingana aho no nasain’ny fiangonana iray mba handray anjara anaty fotoam-pivavahana. Alohan'ny namaliako ilay antso dia zava-dehibe tamiko ny nijery ny daty niaraka tamin'ny ekipako ary nanamarina raha afaka ny mpitendriko amin’io andro io.
Nanamafy haingana aho tamin'ny mpikarakara, fa ny valin-tenin'izy ireo dia nanaitra ahy: "Efa nisy vondrona hafa nanamafy teo anelanelan’izany!" Tsy nampoiziko !
Taitra aho satria nanomana hafatra miavaka izay noheveriko ho tena tsara ho an’io fiangonana io aho, ary fantatro fa fotoana iray tsy manam-paharoa izany! Saingy nanatona mpanakanto maromaro ny mpikarakara ary izay namaly aloha no nosafidiany !
Dia tamin’io fotoana io nampahiratan’Andriamanitra ny masoko, ka nahitako ny fitondran-tenako mitovy tsy misy valaka amin’io olona io. "Impiry Aho no nangataka taminao hiandry Ahy vao mihetsika tamin'ny toe-javatra iray, kanefa vao nisy vahaolana “haingana kokoa" dia roboka ianao ?”
Ops... Tratra aho... ary tsy te-handre ny tohiny : "Kanefa dia efa narindrako tsara ny zava-drehetra tao ambadika tao..." Ankehitriny, manana vahaolana ianao, saingy tsy dia misy faharesen-dahatra loatra !
Azonao tsara, sa tsy izany? Io fanontaniana io dia azo apetraka aminao toy izao: "Toy ny ahoana no nitsaharanao tsy natoky Ahy - na nino Ahy mihitsy aza - satria tsy nahazo valiny teo no ho eo ianao ? Na izany aza, nandritra ny fotoana rehetra dia niasa tao ambadiky ny sehatra momba ny 'safidy tsara indrindra' ho an'ny fiainanao aho..."
Miandrasa an’Andriamanitra dia ho tonga aminao ny tsara lavitra.
Te hampahery anao aho anio mba hiverina hatoky an’Andriamanitra indray. “Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.”(Mika 7.7)
Fahagagana ianao !