✌🏻🖐🏻Andinin-teny 7 fohy nefa mahery vaika !
Isaky ny mahare momba ny I Tesaloniana 5 aho, dia mieritreritra avy hatrany ireo andinin-teny 7 ireo, izay voasoratra ao afovoan’io toko io. Fohy izy ireo, saingy tena mahery vaika ! 😉
Raha ny marina, anio dia te hanomboka amin’ny voalohany amin’izy ireo aho, dia izay mankahery antsika toy izao : ”Mifalia mandrakariva”(I Tesaloniana 5:16).
Waouh ! Mety efa tsikaritrao angamba hoe tsy soso-kevitra fotsiny ihany io adinin-tsoratra io, na faniriana … fa baiko !
Ry namako, mety manontany tena ianao hoe :
- Midika ve izany fa tokony ho sambatra foana aho ?
- Tokoa hitsiky foana ve aho, na dia tsy mandeha amin’ny laoniny aza ny zavatra rehetra ?
Mamelà ahy hamaly ireo fanontaniana ireo : io karazana fifaliana io dia tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy ety ivelany, fa amin’ny zavatra iainanao ao anaty.
Ny fomba fiatrehanao ny zava-mitranga ety ivelany dia faritan’ny refin’ny finoanao, ao anatin’ny fonao. Jereo ny fampanantenan’Andriamanitra ho anao :
- Niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ianao (Efesiana 2:1).
- Manoatra noho ny mpandresy ianao (Romana 8:37).
- Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra (Romana 8:28).
- Miaraka aminao mandrakariva I Jesosy (Matio 28:20).
- Ary maro ireo fampanantenana hafa…
Eny, marina fa indraindray ny zava-mitranga sasany amin’ny andavanandro dia mahakivy ary tsy voatery te hihomehy foana isika.
Kanefa rehefa mibanjina an’Andriamanitra ianao ka manomboka mahatsiaro ny zava-marin’ny ara-panahinao ary miaiky ny Fampanantenany sy ny Fitahiany ho an’ny fiainanao dia … azonao an-tsaina ve ny miseho ? Misy fifaliana lalina tonga mamakivaky anao ! =)
Ry namako, ny fifaliana dia tsy vokatry ny zava-misy iainanao, fa ny fifaliana dia tonga hanova ny zava-misy iainanao ! 😉
Io fifaliana io no herinao (Nehemia 8:10). Aza avela hanaisotra ny Fifaliany aminao ny antsipiriam-piainana andavanandro ! Mifantoha hatrany amin’izay tena manan-danja ! 😉
