• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 9, 2026

Andeha isika hiala amin’ny ratsy…

Andro namoahana Feb 9, 2026

Efa nieritreritra ve ianao hoe inona marina no tian’ity andininy ity ambara ho anao manokana ?

Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.” (1 Tesalonisiana 5:21)

Efa tsy fiandohan’ny taona intsony isika izao, ka tiako ianao hanontany anao aho hoe : “Inona no mbola notazominao hatramin’izao tamin’ity taona vaovao ity - na dia efa nanao fanapahan-kevitra tsara aza ianao - nefa mety tsy hahasoa anao akory ?”

Rehefa nentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta ny vahoakan’Isiraely, dia nisy zavatra iray nentiny niaraka taminy tany an’efitra izay tsy tokony ho nentiny akory : ny toe-tsain’ny andevo. Izany no nitarika azy ireo ho amin’ny tsy fahatokisana, ny fitarainana ary ny fahatsapana ho tsy ampy, na dia Andriamanitra aza no nitarika azy ho amin’ny fahafahana.

Izany fomba fisainana izany no nanosika ny Isiraely ho amin’ny tsy fahafaliana sy ny fikomiana tamin’Andriamanitra. Hadinon’izy ireo fa andevo tany Ejipta izy ireo, ary fa Andriamanitra no te-hitondra azy ho amin’ny zavatra lavitra kokoa sy tsara kokoa. (jereo Nomery 11:4-6)

Ankehitriny, avelao aho hampahatsiahy anao izao : 

Nanafaka anao Andriamanitra, koa miainà toy ny olona afaka !

Ary raha tsy mbola tsapanao tanteraka izany fahafahana izany ankehitriny, dia manontania tena hoe : “Eo amin’ny lafiny inona no mbola notazoniko, tsy ny tsara ihany, fa ny ratsy koa ?”

Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. ” (1 Tesalonisiana 5:21)

Inona ny toe-tsaiko manoloana ny toe-javatra iainako ankehitriny ? Moa ve aho, tahaka ny Isiraely, tsy ampy fitokisana an’Andriamanitra - ka manadino fa tsy nitarika ahy ho any an’efitra fotsiny Izy, fa te-hitondra ahy hamakivaky ny efitra, ho any amin’ny toerana mahafinaritra iray izay efa homaniny am-pitiavana ho ahy ? (jereo Jeremia 29:11-12)

Moa ve aho mbola ao an’efitra, mitaraina momba ny toe-javatra misy ahy amin’izao fotoana izao, sady manadino fa mety hiova tampoka sy aingana be ny zavatra rehetra ?

Koa anentana anao aho anio hieritreritra izay mety mbola nentinao niaraka taminao tamin’ity taona ity, nefa tsy mahasoa anao - ary avy eo, anentana anao bebe kokoa aho hametraka izany eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny vavaka. Amin’izany fomba izany, dia ho azonao averina indray ilay fifaliana mety efa very !

Andao hiala amin’ny ratsy ao anatin’ny vavaka, mba hahazoana indray ny tsara, am-panetren-tena.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.