• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 6, 2025

🥇An-dalam-pandresena ianao!

Andro namoahana Jol 6, 2025

Reraka ve ianao? Diso fanantenana? Nihevitra koa ianao fa hisy vokany amin’ny farany ny asa mafy nataonao, kanefa tsapanao ankehitriny fa “ toa ho ratsy fiafara izy izany” . Ho very maina daholo ve izany ny ezaka natao?”

Raha ianao mihitsy izany, dia te-hampahery anao aho, satria efa nahazo ahy imbetsaka koa izany toe-javatra izany! Ary tsoriko fa fotoana kely tao aorian’izany dia nisy fandrosoana lehibe foana teo amiko! Ny fanananao fihetseham-po ratsy dia tsy midika akory hoe tsy maintsy marina izany!

Rehefa nilaza tamin’ny mpianatra Jesosy taorian’ny alina izay tsy nahitam-bokatra mihitsy nanao hoe: “Alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.” (Lioka 5:4), dia afaka nilaza izy ireo hoe: “Miala tsiny fa efa matihanina amin’io izahay, fa tsy misy azo antenaina anio.”

Na ianao koa aza angamba mety mihevitra ho matihanina amin’ny zavatra iray izay tsy nampahomby anao. Tsy te hamerina intsony ianao noho izany… Tsarovy anefa ny fiafaran’ny tantaran’ny mpianatra… Tsy nifarana tamin’ny hoe: “Efa nanjono ela loatra izahay”, fa tamin’ny hoe: “Efa manomboka rovitra ny haratonay, tsy nampoizinay izao habetsany izao.” 

Tena fandrosoana lehibe izao! Harato rovitra, trondro be dia be! 

Koa aza mijanona eo, fa mety hahita ny fandrosoanao lehibe indrindra ianao rahampitso! 

“Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” (Isaia 40:29) 

Manasa anao aho hiara-mivavaka amiko:

"Jesosy Tompo ô, hitanao ny ezaka rehetra efa nataoko hatanterahan’ny nofinofiko. Na dia misalasala aza aho indraindray sao very maina fotsiny, mino aho fa ho avy ny andro izay hahatsapako fa hisy vokany izany. Ho avy Ilay andro izay hiainako fahombiazana! Misaotra anao noho ny fitahianao ahy! Matoky Anao aho! Amen!"

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.