• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jon 18, 2025

⏰ Anaty fiandrasana ve ianao anio ?

Andro namoahana Jon 18, 2025

Fantatrao ve ny dikany rehefa misy olona “en stand-by” ? (izany hoe anaty fiandrasana).

Tamin’ny faha 17 taonako dia izaho no mpiasan’ny seranam-piaramanidina tanora indrindra teto Eoropa, ary amin’io asa io, ny atao hoe « en stand-by » dia midika fa afaka mijanona any an-trano saingy mila azo antsoina amin’ny fotoana rehetra.

Ary raha vao naneno ny findaiko ka nilazana aho hoe : « mila anao izahay ANIO », dia tsy maintsy tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina aho tao anatin’ny 45 minitra, efa vita akanjo sy vonona ny hanainga.

Izany koa ny toerana tokony hisy anao ankehitriny. Meteza ho “en stand-by”. Na dia te handray an-tanana ny zavatra rehetra aza ianao – na mahatsiaro ho toa mikatso…tsy fidiny, na koa hoe tsy misy zavatra miseho eo amin’ny fiainanao…

Miasa Andriamanitra. Mialà sasatra eo Aminy.

Rehefa nanafaka ny Isarelita tamin’ny fangejana tany Egypta Andriamanitra dia nahatsapa izy ireo fa toa Izy mihitsy no nampikatso azy ireo nanoloana ny ranomasina mena lehibe sy ny tafika egyptiana izay nanodidina azy.

Nilaza tsotra tamin’izy ireo I Mosesy nanao hoe “ Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina”. (Eksodosy 14.14

Tian’Andriamanitra hiandry fotsiny ny vahoaka ka hiomana ho an’ny Asany, dia ny fahagagana izany.

Fantatr’Andriamanitra fa afaka manao izay tsy vitan’ny olombelona Izy. Saingy isika olombelona matetika no manadino hoe afaka manao mihoatra noho izay vitantsika Izy. Fantany fa ho sarahiny mora foana ny ranomasina !

Te hanaitra anao koa Izy raha mampahatsiahy anao fa « Jehovah hiady ho anao, fa hianao kosa hangina. » (Eksodosy 14.14)

Mitoera anaty fiambenana – toa ahy fony aho mpiasan’ny seranam-piaramanidina, vonona ny ho tonga eo an-toerana anatin’ny fotoana fohy - raha vao miteny Andriamanitra hoe ANIO. Any amin’ny toerana izay tiany hisy anao. Any amin’ny toerana izay efa omaniny ho anao.

Koa te ho isan’izany ve ianao ? Vonona ny hanainga ? Fahagagana ianao ! 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.