• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 24, 2025

🧐 Ampy anao ve Jesosy?

Andro namoahana Mey 24, 2025

Liana amin’ny baolina kitra ve ianao ?

Tsaroako tsara ny fiadiana ny amboara eran-tany tamin’ny 2022. Tsy noho ny lalao loatra, fa noho ilay mpilalao iray : Roberto Firmino. Tena naniry mafy izy mba ho isan’ny ekipam-pirenena Breziliana tamin’ny Mondial 2022, fa rava izany nofy izany. Tsy voafantina izy.

Sa
 voafantina ihany ve izy ?


Feno izany vaovao manafintohina izany ny haino aman-jery ! Fa tsy i Roberto kivy no nalaza anefa. Satria rehefa nanontaniana izy hoe ahoana ny fihetseham-pony taorian’io fahadisoam-panantenana lehibe io, dia namaly toy izao izy : “Ampy ahy Jesosy. Mino aho fa mbola misy tsara lavitra voaoman’Andriamanitra ho ahy any !”

Wouah ! Na tao anatin’ny fahadisoam-panantenana lehibe be toy izany aza, dia feno fahatokisana ny valinteniny! Tena mety nalainy tamin’i Davida izany, ilay niteny toy izao tao amin’ny Salamo faha-27 : “Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona.” (Salamo 27.13)

Rehefa nandre an’io valiny io aho dia nieritreritra hoe : “Wouah, izany ka iraka!”

Angamba, lehibe lavitra noho ny Mondial mihitsy ny iraka napetrak’Andriamanitra amin’i Roberto ? Satria raha nanantena ny hahita olona kivy ny olona, dia lehilahy tony sy feno fitokiana amin’Andriamanitra no hita ! Lehilahy iray izay namerimberina hoe :“Jesosy dia ampy ho ahy.”

Nahita lehilahy matanjaka sy feno hery mibanjina an’i Jesosy ny eran-tany rehetra, raha toa ka nieritreritra ny hahita mpanao baolina kivy tanteraka ! Tena lehilahy manana iraka !

Raha izany koa no iainanao ankehitriny, ka ao anatin’ny fahadisoam-panantenana ianao, dia aza kivy ! Sao dia amin’izany mihitsy no hahitanao ilay tena iraka napetrak’Andriamanitra ho anao !

Satria nahoana ? Satria Jesosy manana ny tsara indrindra ho anao koa !

Te-hilaza amim-pahatokiana miaraka amiko ve ianao anio hoe : “Na ho rava aza ny nofiko rehetra, Izy mbola hihazona ahy. Na inona na inona mitranga
 Jesosy dia ampy ho ahy !”

Tsy tokony hisy vaovao hampitanondrika anao intsony!Fahagagana ianao !

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.