AMPITOMBOY NY HERINAO
Amin’izao vanim-potoana izao dia betsaka no mandany ny herintsika. Fantatrao ve fa ny fijerena “ecran” mandritry ny fotoana iray dia mety hitarika olana eo amin’ny torimaso sy fahavizanana? Izay ny antony hoe mila miala ny “ecran” isaky ny 20 mn mba tsy hitarika areti-maso na aretin’andoha. Izay ilay antsoin’ireo mpikaroka hoe lalan’ny 20-20: afaka 20mn dia mijery zavatra hafa mandritry ny 20 segondra.
Raha mikarakara ny vatantsika toy izany isika dia manao ahoana kosa ny fanahintsika. Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:23 dia manamafy ny Baiboly fa saina, vatana, fanahy isika.
Mila kolokoloina koa izany ny fanahy amin’ny famakiana Baiboly, fanokanana fotoana hiresahana amin’Andriamanitra ary fifadian-kanina.
Ny Fanahy Masina dia hanome hery anao ahatanteraka zavatra goavana. Hoy tokoa ny Asan’Apostoly 1:8 hoe : “Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.”
Isaia 40:31 dia manamafy hoe : “Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.” Hitanao amin’izany? Mety ho reraka ihany io vatana io fa ny Fanahy Masina kosa manampy anao ahavita zavatra tsy voafetran’ny natoraly.
Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕