• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Sep 15, 2025

⏱ Am-pelatanan’Andriamanitra ny fotoananao

Andro namoahana Sep 15, 2025

Tiako raha hifantoka amin'ireo karazana fotoanan’Andriamanitra amin'ny fiainantsika isika, fa tsy amin'ny “fotoana farany” ihany satria somary sarotra takarina izany.

Ao amin'ny Baiboly, hoy Davida mpanao Salamo hoe : “Eo an-tananao ny androko…” (Salamo 31:15)

Indraindray tsy fantatsika ny fotoana sahaza hanatanterahana zavatra iray na tsia. Ka mazana dia manahy isika sao mikoropaka, na koa miraikiraiky hanatanteraka azy ka tsy tonga saina akory.

Saingy rehefa matoky an’Andriamanitra isika dia tena mahatsapa fa mpandahatra Izy, ka mahatonga ny zavatra rehetra hitranga amin'ny fotoana sahaza sy mety indrindra.

Nandritra ny androm-piainako dia tsapako fa tsy mitranga haingana araka ny antenaiko ny zava-misy. Raha ny ao an-tsaiko, zavatra iray tokony maharitra herinandro vitsivitsy, toa lasa amam-bolana, na aman-taonany mihitsy aza.

Misy ohabolana espaniola izay manao hoe : “Izay miaina anaty fanantenana dia ho fatin'ny hadisoam-panantenana!” Tsy fantatro raha efa naheno izany ianao, fa minoa ahy fa efa niandry sy diso fanantenana imbetsaka ny tenako! =)

Saingy rehefa tonga ihany ilay fotoana niandrasana ela, dia tsapako fa izay ihany no fotoana sahaza indrindra : ilay fotoanan’Andriamanitra.

Tsy nahatsapa izany aho taloha, ary tsy maninona izany, satria tsy afaka mahita zavatra amin'ny fomba fijery iray isika raha tsy efa nandalo an'io fotoana fiandrasana io mba ho vavolombelona ny amin'ny fomba nanomanany sy nametrahany ny zava-drehetra eo anoloantsika.

Manohina ny foko loatra ny zavatra toa izany, rehefa mahita an’Andriamanitra miasa amin'ny fomba marina! Marina fa tsy tahaka ny fotoanantsika ny fotoanany, fa tsy an-kisalasalana, ny fotoanany dia tsara lavitra noho ny antsika!

Am-pelatanan'Andriamanitra ny fotoananao, aza manahy! Raha ankininao Aminy ny olanao, matokia fa miasa Izy, ka hanome valiny amin'ny fotoanany mety indrindra =)

Te handalina ny amin'ny fotoanan’Andriamanitra miaraka aminao ny tenako, ny amin'ny fanomezan-tokiny, sy izay tiany hotanterahintsika koa. Hikasika ny fonao tanteraka Andriamanitra! ;D

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.