Amin’ny 3 maraina …

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Amin’ny 3 maraina …

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao miaina io fitsaharana sy io fitahian’Andriamanitra io rehefa manao asa tsy tianao ? Mamelà ahy hanome anao ohatra manokana.

Tsaroako fony mbola kely ireo zanako, tsoriko aminao fa rehefa nanomboka nitomany izy ireo tamin’ny 3 maraina ka voatery nitsangana aho nanolo sy nanome sakafo azy, dia manome toky anao aho fa tsy te hanao izany ny vatako. Tamin’ireny fotoana ireny dia azoko natao ny nitezitra sy nimenomenona na namela ny tenako ho henika, izay tsy isalasalana fa ho nanaisotra ny fiadanana sy ny fitsaharan’ny Tompo ho an’ny fiainako. Nanapa-kevitra ny hankasitraka an’Andriamanitra foana anefa aho tamin’ireny fotoana ireny. Raha tokony ho tezitra aho dia niezaka nankafy ireny fotoana ireny (fantatro fa tsy haharitra ela izy ireny), ary niezaka aho nanao ny zavatra rehetra tamin’ny fomba tsara indrindra, toy ny hoe nataoko ho an’Andriamanitra mihitsy izany.
Io mihitsy no fanalahidy omen’ny Baiboly antsika : « ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona » (Kolosiana 3:23). Rehefa manana izany toe-po izany isika, na ny asa mafy indrindra aza dia lasa fahafahana mamiratra, mitahy ny hafa ary manome voninahitra an’Andriamanitra. Eny, ny fitsaharana dia mamela anao hahita ny zava-misy toy ny ahitan’Andriamanitra azy ary manao zavatra araka ny tiany anaovanao azy.
Ry namako, araraoty ity andro ity hanatanterahana ny antsipirian’izay tokony hataonao toy ny ho an’Andriamanitra. Na fanomanana sakafo io, na fandraisana mpanjifa, na fanaovana tatitra ho an’ny lehibenao, na famerenana ho an’ny fanadinana, ataovy amin’ny fonao toy ny ho an’Andriamanitra izany rehetra izany, dia ho hitanao amin’ny antsipiriany ny fomba hahatsapanao ny fiadanana sy ny fitahian’Andriamanitra.
Am-poko ianao.
Punchline: Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!