• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VN Vietnamese
Andro namoahana Nov 25, 2026

Ambasadaoron’ny Lanitra

Andro namoahana Nov 25, 2026

Ambasadaoron’ny Lanitra

Rehefa namorona antsika Andriamanitra dia nananany tanjona tsirairay avy isika. Izay ilay antsoina hoe “Antom-pisiana”. Ary mila fantarintsika izy io amin’ny alalan’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isan’andro. Ny tsy fahafantarana izany manko dia mahatonga ny olona sasany lany andro mihazakazaka any amin’ny “piste” tsy azy ka sady reraka, no lany andro, no mety hitarika fahasorenana sy fahakiviana. Ny fahafantaranao koa ny antom-pisianao dia mitondra fiadanana ao anatinao ka na inona na inona karazana tafiotra mety mandalo dia am-pitoniana foana no hiatrehanao izany satria efa fantatrao ilay làlana hizoranao sy hiafaranao ka tsy manan-tahotra ianao.  

Fa misy koa iraka iray iombonantsika tsirairay avy. Tsy hoe natokana ho an’ireo mpitarika fiangonana fotsiny ihany koa fa ho antsika zanak’Andriamanitra rehetra, manana an’i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany. Inona ary io iraka io? Ny Matio 28: 18-20 no mamaly azy mazava hoe : “Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.”

Efa nomena fahefana ianao, toy ireny iraka na ambasadaoro ireny, izay misolo-tena ny Firenena naniraka azy. Dia efa nambara hoe inona ny atao : mandeha ary manao mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa sy mampianatra. Ary amin’ny maha-mpisolo-tena ny Fanjakan’Andriamanitra dia Izy momba anao kosa, izay midika hoe miahy ny momba anao rehetra izy, tena tahaka ireny ambasadaoro ireny mihitsy. Ny antsipiriam-pianan’izy ireny dia efa voaray an-tanana daholo : ny trano honenana, ny fiara, ny fianaran’ny ankizy, ny sakafo. ny fanafody mety ho ilainy sns sns….. Ary milaza aminao aho anio fa mihoatra lavitra noho izany ny fombàn’Andriamanitra anao. Aleloia!

Koa tanteraho ny irakao ry ambasadaoron’ny lanitra fa ny Tompo momba anao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny