• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 30, 2024

🛬 Aiza ny sidinao no nigadona?

Andro namoahana Nov 30, 2024

“Miarahaba tompoko, tongasoa ato amin'ny sidina mitondra antsika ho any…”  Mankaiza no toerana  irin’ny fonao ho aleha amin’izao fotoana izao?

Mety efa niverina avy amin’ny fialan-tsasatra ianao, na angamba koa mbola mipetraka eo ambony valizy miandry ny handeha? Mety koa hoe nofoanana tanteraka ny fialan-tsasatrao amin’ity taona ity?

Tamin’ny fotoana niasako an’habakabaka dia matetika aho nanararaotra maka fanahy ny mpandeha kely! Ohatra, lazaiko hoe: “Tompoko, tsy ho ela dia hotsenaina ianareo ao London” – nefa nino izy ireo hoe mankany Barcelone no lalany! Haha!

Kanefa, ahoana kosa raha toa ka ny “sidin’ny fiainanao” mihitsy no mitondra anao any amin’ny toerana hafa lavitra noho izay notadiavinao? Te hiala sasatra ianao nefa tsy afaka. Na angamba, nisy kihon-dalana lehibe teo amin’ny fiainanao ka nitondra anao tamin’ny toerana tsy notadiavinao!

Afaka zaraiko aminao ve ny zavatra niainako tamin’izaho mpiasan’ny fiaramanidina?

Isaky ny maraina, niaraka nivory izahay sy ny kapiteny (fivoriana fohy misy fampahafantarana sy toromarika). Lazain’ny kapiteny anay rehefa hoe mety hisy tafiotra sy horohoron-dranomasina mandritra ny sidina. Raha mitranga izany, nafarany mafy izahay hipetraka tsara sy hamehy fehikibo. Amin-kasahiana sy tsiky kosa izy no nilaza hoe: “Aza manahy fa ataoko mamakivaky an’io am-pilaminana tsara ianareo.”

Te hampahery anao aho anio hoe: ny kapiteny ao amin’ny fiainanao, dia Andriamanitra, hanavotra anao soa aman-tsara mandritra ny fotoan-tsarotra Izy! Hitanao ve Izy mitsiky aminao ankehitriny sy milaza hoe: “Aza matahotra, entiko mamakivaky an’ity fotoan-tsarotra ity am-pilaminana ianao”?

Ny hany ilainao atao dia ny manatona ilay kapiteny – Andriamanitra – mba hanao fivoriana kely miaraka Aminy, ary hahatsiaro ilay teny feno fahamarinana hoe: “Tsy nisy fakam-panahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.” (1Korintiana 10:13)Angamba tsy eo amin’ilay toerana nirianao ianao anio,  fa azo antoka kosa fa eo anilanao Andriamanitra ary miaraka aminao Izy!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.