• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Nov 22, 2024

🌟 Aiza no tian’Andriamanitra hitondrana anao anio?

Andro namoahana Nov 22, 2024

Anatin’ny andro vitsivitsy, dia misaintsaina andininy tena mampahery isika. Anio, andeha hijery ny andininy manaraka izay nambaran’Andriamanitra tamin’i Josoa isika hoe : “Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina ianao amin'izay rehetra alehanao.” (Josoa 1:7).

Tsy misy mahafaly an’Andriamanitra mihoatra noho ny fankatoavantsika. Miteny mandrakariva eo amin’ny fiainantsika Izy, amin’ny alalan’ny Teniny sy mivantana amin’ny fanahintsika, ary maniry mafy ny hitarika antsika amin’ny Fanahiny.

Efa tsapanao ve indraindray tao am-ponao fa misy zavatra tsy maintsy ataonao? Mety efa nahatsapa ianao fa tokony hiresaka momba an’i Jesosy amin’ny namana iray, na hiantso havana iray, na hanatrika fivoriana iray ?

Indro ny fijoroana vavolombelon’i Christian Misch izay anisan’ny nanoratra ny “Fahagagana isan’andro”.

“Amiko manokana, efa nitranga matetika izany. Taona vitsy lasa izay, fony aho nanolo-tena niasa an-tsitrapo ho an’ny TopChrétien, dia nandre fa nisy fivoriana manokana nokarakaraina tany Paris ho an’ny mpamaky ny Fahagagana isan’andro, ary nila mpilatsaka an-tsitrapo izy ireo.

Tamin’izany fotoana izany, sarotra ny toe-bolako, kanefa tsapako fa notenenin’ny Tompo aho mba ho any amin’ilay hetsika ho mpilatsaka an-tsitrapo. Alaivo sary an-tsaina ny toe-javatra: ho any amin’ny firenena hafa mihitsy mba hanampy amin’ny hetsika kristianina iray fotsiny! Efa nahazatra ahy ny manompo an-tsitrapo tao amin’ny fiangonako, saingy toa mihoatra ny mahazatra kosa ity… =)

Kanefa, nahatsapa fiadanana tao am-poko aho ary fantatro fa hiaina zavatra miavaka aho. Ka dia nanapa-kevitra aho ny handeha: nividy tapakila fiaramanidina aho, nandeha irery tany Paris ary nanomboka nanompo tamin’ny fomba rehetra nandritra ny hetsika manontolo. Tena nahafinaritra ilay fotoana! Fa ny tena nahavariana dia ny fahafahako nihaona mivantana tamin’i Eric Célérier, ary izany no nahatonga ny Fahagagana isan’andro hivoaka amin’ny teny espaniola.

Jereo anie izany e: ny fanapahan-kevitro sy ny ezaka nataoko mba hanarahana ny baikon’Andriamanitra no nanokatra varavarana ho fanasoavana olona an’arivony maro! Hitanao ve ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny Tompo?”

Ry namako, rehefa misafidy ny hiezaka sy hanana herim-po amin’ny fanatanterahana ny toromariky ny Tompo ianao, ary tsy mihemotra na mitady fialan-tsiny, dia afaka mahita fitahiana lehibe eo amin’ny fiainanao ianao!Anio, inona no tsapanao fa angatahin’ny Tompo ataonao? Mandrosoa ary avelao hazavainy amin’ny fahazavany ianao.

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.