Aiza ianao no miafina ?
“Dada ô, azafady, avelao hirehitra ny jiro 💡 fa matahotra aho.”
Azo antoka fa efa nilaza izany ianao fony mbola kely. Ary tsy namaly angamba ny rainao hoe : “Tsia, ataovy irery ao e !”. 🤭Ankehitriny efa lehibe ianao. Fa mbola misy tahotra hafa : tahotra ny ho avy. Tahotra ara-bola. Ary maro hafa koa… Lazao ahy hoe inona amin’ireo no manelingelina anao amin’izao fotoana izao ? Ary… efa nangataka tamin’ny Rainao ve ianao mba “hamela ny jiro hirehitra” ?
Raha ny marina, tokony hoe izany no fihetsika voalohany rehefa misy tahotra. Fony mbola zaza isika dia tonga dia hoe : “Maizina ka mila hazavana aho.” Ary rehefa lehibe dia tokony ho toy izany koa : “Ato anaty aizina aho, mila ny Raiko aho.”
Nahoana ? Satria hoy i Jesosy : “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” (Jaona 8:12) Hazavana tsy ho faty mihitsy. Hazavana mandroaka ny aizina. Tsy afaka mandositra izany hazavana izany ianao… raha tsy hoe miafina. Ka aiza ianao no miafina? Ao ambadiky ny tahotrao ve? Sa ao ambadiky ny lainga nolazaina taminao? Sa ao ambadiky ny eritreritra ratsy izay maniry hanjakazaka aminao, nefa tsy toherinao ?
Ny tahotrao… dia matahotra an’i Jesosy. Satria voasoratra hoe : “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena” (Asa 2:21). Ianao sisa no mijoro eo anelanelan’ny tahotrao sy ny hazavana.
Jesosy Kristy no Fahazavana, ary tsy misy na inona na inona afaka mamono izany hazavana izany. Koa anio, miantso anao avy ao am-poko aho : “Aza miafina intsony, mivoaha ho amin’ny hazavana, satria te hanazava anao amin’ny fahazavany i Jesosy. Te hamonjy anao Izy.”