• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 13, 2026

Aie aie aie 🤭

Andro namoahana Okt 13, 2026

Rehefa ilay manatrika fanamasinana mariazy ireny dia anisany tiako ny mamaky ny andinin-tsoratra masina nosafidiana dia mieritreritra eo aho hoe ho tsaroany hatramin’ny oviana re ity teny ity eee….😄 Ny anay moa dia nataon’ny vadiko andininy telo be izao dia nitsiky kely aho tamin’izay hoe “Pasitera marina ilay ho vadiana!” 😅

Anisany tena tian’ny olona ny 1 Korintiana13. Ity no sintoniko anio: “Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo” 1 Korintiana 13:4

Aie aie aie…Mahari-po sady mora fanahy. Rehefa ilay volana voalohany iny na handeha atao hoe taona voalohany e, dia tena mahari-po sy mora fanahy. Mamy daholo izay rehetra eo na may aza ny laoka, sa tsy izany?😄 Satry foana ho eo anilany, fa rehefa elaela (tsy ho faritako ilay elaela hihihi…) dia miova. Toy izay koa ny tohiny : tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo… midika hoe tsy misy endrika fifaninana hafahafa, tsy misy hoe izaho no mandray vola betsaka noho ianao, tsy misy hoe ny fianakaviako manana noho ny anao… Tsy miantefa amin’ny mpivady ihany io fa na amin’ny manodidina aza, amin’ireo mpiray vodirindrina, ireo mpiara-mianatra na mpiara-miasa…. Mampalaelo anefa fa rehefa misy fisandratana ny iray dia velona ny fialonana, na koa lasa mieboebo. Handeha isika mpanaraka ny pejy hametraka fanamby hitia toa io voafaritra amin’ny andininy anio io. Io fotsiny ihany aloha no ezahintsika dia avy eo jerentsika ny tohiny. Iza no namako? 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny