Ahoana ny fiheveranao ny Paradisa ?
Rehefa mijery fanadihadiana momba ny karazana toerana rehetra maneran-tany amin’ny fahitalavitra aho dia talanjona foana.
Amin’ny fiainana andavan’andro isika dia afaka mahita ireo karazana toerana tsara tarehy izay nolokoin’Andriamanitra mivantana ho antsika avy any an-danitra, ny taratry ny masoandro mody ary ny rivotry ny maraina… Miaina eto amin’ny tany mahafinaritra isika. Anisan’izany i Madagasikara : manana tora-pasika tsara, biby sy zava-maniry miavaka, mponina mahay mitsiky sy mandray tsara na dia eo aza ny hazakazaka andavan’andro….. Araky izany, alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana ny hatsaran’ny paradisa tany am-piandohan’ny famoronana !
Noharian’Andriamanitra tsara avokoa ny zava-drehetra. Araky ny Teniny ao amin’ny Genesisy : « Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. » (Genesisy 1 :31). Ny zavatra noforonin’Andriamanitra tsy hoe tsara fotsiny fa tena farak’izay tsara tokoa.
Toy izany koa no namoronany anao, ry namako, ary narotsany teo amin’ny fiainanao ny fahatsarany rehetra. Efa fantany alohan’ny namoronana an’izao tontolo izao ianao, ary efa tamin’izany Izy no nifaly rehefa mahatsiaro anao. Niantso anao mba hisy teto an-tany izy mba haneho ny hatsarany na eo amin’ny fiainanao na eo amin’ny fiainan’ny hafa amin’ny alalanao. Tsy tsara loatra ve izany ?
Ry namako, sarobidy amin’Andriamanitra ianao ary tamin’ny fomba mahatalanjona no namoronany anao. Tia anao Izy na dia eo aza ny olanao, ny tsy fahombiazanao na ny toe-javatra lalovanao ary te hameno ny ahatsarany amin’ny fiainanao Izy.
Ndao ivavaka isika : “Tompo o, misaotra anao nitia ahy hatrizay hatrizay ary nandrotsaka ny Fitiavanao sy ny Fahatsaranao ato anatiko isan’andro. Tsara loatra Ianao, tena tsara ! Tsy hiahiahy ny amin’ny fahatsaranao intsony aho fa hatoky Anao zato isan-jato Andriamanitro o, ary hiaina feno ny Fitahianao isan’andro. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen “