• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 24, 2025

🤔 "Ahoana no hiatrehanao ity olana ity ?"

Andro namoahana Jan 24, 2025

Misy fotoana toa manintona olana hafa ny olana iray. Mifoha maraina ianao dia heniky ny olanao sahady! Efa niainanao ve izany?

Amin'izay fotoana izay ianao manana safidy roa :

Na manohy misaina an’ilay izy, izay tsy isalasalana fa hampitombo ny olana, na misafidy hivavaka sy hitady ny fiombonana akaiky amin'Andriamanitra.

Tsy hoe mora foana akory ny mifidy ny hivavaka, satria mety hameno ny saintsika ilay eritreritra mavesatra…

Tamin’ny nilatsaka ilay didy fa izay mivavaka amin'Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy ny mpanjaka, dia hatsipy ao an-davaky ny liona, dia tena niteraka olana goavana ho an’i Daniela izany! (Daniela 6.8-10).

Saingy mety ho nitombo kokoa ny olany raha navelany hibahana ao an-tsainy ny hoe: “Te hamono ahy izy ireo. Fa maninona ary no ratsy sy feno loza izao tontolo izao?”. Mety ho tofoky ny fahakiviana izy!

Nefa tena fihetsika feno fiadanana  no nasehon’’i Daniela: natolony an’Andriamanitra ny olany! “'Koa intelo isan'andro no nandohalika ka nivavaka sy nisaotra teo anatrehan'Andriamaniny izy, satria fanaony hatramin'ny taloha izany. “(Daniela 6.11)

Tena feno fahatokiana an’Andriamanitra i Daniela – na dia teo aza ny olany – ary io fahatokiana io no iriko ho anao sy ho ahy! Io dia miseho amin’ny fanapahan-kevitra hoe: “Ahoana no ataoko manoloana ity fisainako mampahatsiahy ahy lava ny olako ity?”

Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.” (Ohabolana 4.23)

Raha ny marina, matetika aho tsy mahavita izany irery. Saingy rehefa manapa-kevitra aho ny hanokana fotoana hivavahana, hisaorana, ary hijanona tsotra fotsiny ao amin’Andriamanitra, mihaino sy mihira hira fiderana izay mampahatsiahy ahy ny heriny sy ny hareny, dia mahavita aho. Ary izany, dia amin’ny foko manontolo!

Misafidiana foana ny vavaka, rehefa manakana ny lalanao ny eritreritrao! 

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.