• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jol 11, 2026

Ahoana no hanohizanao?

Andro namoahana Jol 11, 2026

Manan-tsafidy ianao! Safidy izay tena mahery vaika. Safidy izay hampitsimbadika ny fiainanao.

Eny ary, handeha isika hanomboka amin’ny fomba tsotra kokoa. Safidy iray izay mety hanova ny fiainanao dieny anio!

Marina izany, afaka manampy amin’ny fitarihana amin’ny fiainanao ianao.Isan'andro dia manana safidy ianao, na handeha amin'ny lalana manome voninahitra an'Andriamanitra, na tsia...

Hatombotsika amin’ny fomba fihetsikao eny am-pamiliana, rehefa milanto loatra ilay mpamily eo alohanao, kanefa sahiran-tsaina ianao ka te hanao fihetsika tsy dia maontina, tahaka ny mi- “klaxon” mafy…

Dia mitohy hatrany izany rehefa miaraka miray latabatra amin’ny fianakaviana ianao, ka sorena satria tsy tianao ilay sakafo, sady manome vaovao ratsy ireo zanakao, ka lasa nanao fiteny mandratra ianao fa tsy tenim-pitiavana, izay tena nilainy avy taminao anefa.

Fantatro fa mitaky hery avokoa izany rehetra izany. Fa any aoriana any, na alohan’izay aza, ahoana raha misafidy ny fitiavana ianao toy izay manome vahana ny fihetseham-ponao izay manimba ny zavatra rehetra.

Ianao sy ny hafa. Sady mila andro maromaro ianao vao afaka manarina ny olanao sy ny sainao tsy mandry izay manakantsakana anao. Inoako fa efa niaina izany ianao, sa tsy izany?

Mba tsy ho lany andro amin’ny zavatra ratsy, tsy maintsy mamafy fitiavana ianao anio!

Handao isika hisoroka ka hihetsika ho amin'ny fahombiazana, mihetsika mba hahomby. Mba hahatanterahana izany dia handeha ho malina mandritra ny tontolo andro. Hanome fahendrena sy hery izay ilainao Andriamanitra.

Aza misalasala mamaky ity Salamo manaraka ity, hanombohana ity tontolo andro MAHAFINARITRA ity, ka mampiasa izany anaty vavaka, ary mandritra izany no handraisanao fanapahan-kevitra tsara :

“Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.“ (Salamo 25:4-5)

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.