🔥 Ahoana ilay hoe “finoana tena marina”?
Tamin’ny fahazazako dia nanana namana roa aho, ny iray Silamo ary ny iray Vavolombelon’i Jehovah. Nanontany tena aho ny farany hoe: “Ahoana marina moa raha diso ny finoako fa ny azy ireo no marina?”
Hatramin’ny fahakeliko, dia efa nahazo valiny tamin’izay fanontaniana tena nampisalasala ahy izay aho. Fantatrao ve ny fomba nahazoako izany? Tamin’ny fanatonana an’i Jesosy tamin’ny vavaka hoe : “Mba asehoy ahy fa tena misy Ianao!”
Tsy nidina avy tany an-danitra akory Jesosy ka niseho teo anatrehako nilaza hoe:
“Ity ary fa misy Aho ! ” Tsia, fa tahaka ny hoe napetrak’Andriamanitra teo amin’ny foko izany ny tanany. Hany ka tsapako ny fahatokiana sy ny fiadanam-po nateraky ny finoana. Jesosy no lalana, fahamarinana, ary fiainana (Jaona 14.6), na dia samy hafa aza ny fomba niainan’ny namako an’izany.
Misy vondrona ara-pivavahana maro milaza fa izy ireo no manana ny “finoana marina,” fa ny vavako ho anao anio dia hoe: “Ray ô, arovy ny fon’ity namako ity”.
Tena tiako ny hampahery anao mba tsy hiova fo noho ny fomba fijery maro manodidina ianao, fa hanatona an’i Jesosy mivantana, satria Izy mihitsy no te hitarika anao eo anatrehany !
Raha misy feo maro manodidina mampisalasala anao, dia avelao Jesosy mihitsy no hanome anao indray ny fahatokiana. Amin’ny fotoana mangina sy eo amin’ny fahatoniana miaraka Aminy, dia afaka manatona Azy foana ianao! Izay fotsiny dia efa mahafinaritra anie!
Hoy Izy: “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” (Matio 11.28).
“Mankanesa aty amiko” – satria Izy no te hanome anao ilay toky irinao io!
Fahatokiana tena tsara !
Tsy hitanao ao anatin’ny horakoraka manodidina, fa ao amin’ny Feony feno fitiavana.
Anio aho dia te hitso-drano anao amin’ny Salamo 121:
“Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.”
