Ah, ireny fisalasalana miafina ireny...
Fantatrao ny zavatra tsikaritro tato ho ato, teo am-pivavahana aho?
Rehefa mangataka zavatra amin’Andriamanitra aho, matetika any am-poko lalina any dia tsy tena azoko antoka hoe mihaino ahy Izy. Misalasala aho hoe tena te hamaly ahy ve Izy, satria tsapako fa toa tsy mendrika izany aho!
Raha ny marina, tsy ilaina akory ny ilazako izany aminao, satria fantatrao tsara fa hisy foana ireny fisalasalana ireny ao anatinao! Fa fantatrao ve hoe tena mampidi-doza tokoa izy ireny?
Satria raha mbola misalasala ianao hoe tena te hamaly anao Andriamanitra, sy hoe mendrika ho Azy ve ianao, dia efa ela Izy no nifidy ny hitia anao amin’ilay fitiavana mamela ny fahotanao rehetra! Te hitondra anao lavidavitra kokoa Izy. Te hiasa amin’ilay nofy ho an’ny fiainanao Izy - ilay nofinao sy ilay nofiny ho anao.
Mandany fotoana sarobidy ny fisalasalana. Inona no voalazan’ny Jaona 10.10? "Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana" Izany indrindra no mitranga rehefa mijanona ianao...
Aza mamela ny fisalasalana hangalatra ny asa ataon’Andriamanitra ao anatinao, ahatanterahin’ny nofiny.
Lehilahy tena nisalasala koa i Gideona. Nambaran’Andriamanitra taminy ny nofiny, dia ny hanafaka ny Isiraely amin’ny alalany. Nefa na dia efa nomena izao fampanantenana izao aza izy hoe: "Homba anao Aho" sy hoe: "Ho resinao ny Midiana" (Mpitsara 6.16), dia mbola namaly tamim-pisalasalana ihany i Gideona hoe: "Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko." (Mpitsara 6.17)
Angamba hoy Andriamanitra tao am-pony: "Efa iray amin’ireo anjeliko tsara indrindra no nalefako hilaza izany aminao mivantana, nefa mbola manontany tena ihany ianao hoe tena mihaino anao ve Aho?"
Tian’Andriamanitra haverina aminao izay nalain’ny fisalasalana!
Inona ary no fanapahan-kevitra horaisinao anio? Fantatrao ao am-ponao fa misy zavatra napetrak’Andriamanitra ao anatinao. Kanefa miaraka amin’izany koa dia manontany tena ianao hoe tena izany tokoa ve no tiany hambara aminao, ary tena vitanao ve izany?
Zava-dehibe ny mandray fanapahan-kevitra tsara, satria zava-dehibe ilay nofy!
Fahagagana ianao!