Afa-po amin’ny lalana nodiavinao ve ianao ?
Samy manana ny zavatra iainantsika isika, ary Andriamanitra dia miasa amin’ny fomba manokana amin’ny fiainantsika tsirairay avy.Resy lahatra aho fa samy hafa amin’ny ahy ny lalam-piainanao, ary mety ho tena samy hafa tanteraka mihitsy aza. Saingy misy ny iombonantsika dia i Jesosy Kristy.Tonga nanatona antsika teo amin’izay nisy antsika Izy, ary nanao zava-mahagaga teo amin’ny fiainantsika.Tsaroako tany am-piandohana, nanana fahazarana aho nisaina ireo fijoroana ho vavolombelona manan-danja nataon’olona izay novain’Andriamanitra tamin’ny fomba mahagaga, fony izy ireo tao anaty haizina.Ny fihainoana azy ireo dia nahatonga ahy nanana fahatsapana hoe toy ny tsy dia manan-danja loatra ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fiovam-poko, ary mety ho tsy nisy dikany mihitsy aza. Amin’ny lafiny iray, naniry koa aho ny hanana tantara mahery vaika tahaka ny azy ireo : mahita anjely, na nafahana tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny fahafatesana, na zavatra « mampitolagaga » kokoa.Saingy, fotoana fohy taty aoriana dia nanomboka tonga saina tamin’ny zavatra iray aho : isika rehetra dia manana lalana samy hafa, fanomezam-pahasoavana samy hafa, tantara samy hafa… ary ny fomba iasan’Andriamanitra amintsika tsirairay avy dia sarobidy tokoa.Tsikelikely dia navelako ny fahatsapana fahadisoam-panantenana manoloana ny tsy fananana fijoroana vavolombelona mampitolagaga. Ary lasa tsapako fa tena sarobidy tamiko ny tantarako, indrindra fa ny fijoroako ho vavolombelona dia mety ho loharanom-pientanana ho an’olona maro niaina zavatra mitovy amiko. Ny fijoroako ho vavolombelona dia mety ho nifanojo amin’ny zava-misy iainany !Nanomboka teo dia nahatsapa fahafaham-po aho tamin’ny fiainako, izay nahatonga ahy hahatsapa ho afaka amin’ny fampitahana, mba hahafahako mampiasa tsara izay nomen’Andriamanitra ahy.Hoy ny Baiboly : « Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany » (Ohabolana 14:14).Ry namako, te hanao zava-mahagaga amin’ny fiainanao Andriamanitra !Tsy misy tokony hitsiriritanao na hanantenanao ho toy ny olona hafa : tian’Andriamanitra ho afa-po amin’ny lalana izay nodiavinao ianao ary hitady Azy marina isan’andro.Resy lahatra aho fa hikasika olona maro amin’ny alalan’ny fiainanao Andriamanitra, toy ny ataony amin’ny ahy.
