Afaky ny ho voavonjy!
Ny tena marina, sarotra ny ahita fanantenana anaty fahoriana…raha tsy hoe…ilay olona alahelovana dia manome toky fa ho velona indray! Izany no fanantenantsika amin’ity herinandro ity. Eny fa na tao amin’ny famadihana an’i Jesosy, ny namatsiana Azy teo amin’ny hazo fijaliana sy ny fahafatesany dia misy fanantenana anatintsika no ny fahagagana hitranga ao aoriana.
Alohan’ny hampaherezako anao amin’ny fanantenana amin’ity alatsinainy ity dia handeha hiverina ny amin’ny omaly isika.
Ny Alahady mialohan’ny nahafatesany dia nitodi-doha ho any Jerosalema Jesosy ary fantany fa ho faty izy any noho ny fahotantsika. Akaikin’ny tananan’i Betifaga dia naniraka ny mpianany mialoha Izy mba hizaha boriky iray sy ny zanany. Nomena baiko moa ny mpianany hamaha io biby io ary hitondra izany eo Aminy. Avy eo dia nitaingina ny boriky Jesosy ary tsimoramora, tam-panentren-tena no nidirany tao Jerosalema, nanatanteraka ny voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 9:9. “Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.”
Nanofahofa sampandrofia ny olona nitsena Azy no sady niorakoraka hoe “Hosana ho an’ny zanak’i Davida!Tahiana ilay tonga amin’ny anaran’ny Tompo! Hosana amin’ny avo indrindra!” Fifaliana re izany! Tonga ny Mpanjaka ary mbola manjaka sy manapaka Izy mandrak’ankehitriny! Misy fanantenana ho antsika! Ny hoe “Hosana” dia midika hoe “mamonjy antsika Andriamanitra” ary fantantsiak ankehitriny fa nanome lalana ho amin’ny famonjena antsika Izy!
Ny ampitso maraina dia niverina tao Jerosalema niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy. Teny an-dalana dia nanozona aviavy izay tsy namoa Izy. Mino aho fa nampianatra lesona antsika Jesosy. Nasehony fa tena finoana no ilaina noho ny fombafombam-pivavahana ivelany; ny marina, ny finoana velona dia tsy maintsy mitondra vokatra ara-panahy eo amin’ny fiainan’ny olona. Anio dia afaka ny hanantena isika fa raha tena manaraka marina an’i Jesosy dia hamoa tsara ny aviavintsika ary ho fijoroana vavolombelona fa Jesosy dia Mpamonjy manova sy manohana!
Maka fotoana kely dia misaora an’Andriamanitra ny amin’ny vokatry ny Fanahy eo amin’ny fiainanao! Isaory Andriamanitra ny amin’ny fiasany eo amin’ny fiainanao. Manehoa vokatra TSARA amin’ny alalan’ny heriny sy ny tanjony anio.
Rehefa tonga tao an-tempoly Jesosy dia hitany fa feno mpanakalo vola mpanao kolikoly ny tokontany. Navadiny ambony ambany ny latabatra ary nodioviny ny Tempoly ka hoy Izy hoe “ Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana; fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy” (Lioka 19:46).
Na dia mahavaky fo aza ny endriky ny Tempoly dia afaky ny mahita fanantenana aho fa ireo varavaran’ny Trano Fivavahana dia mbola misokatra ho antsika amin’izao fotoana izao. Handeha haka fotoana isika, amin’ity Alatsinainy Masina ity ary hiditra ao amin’ny efitrano fivavahana “
“Jesosy o, manaja Anao aho amin’ny maha-Mpanjakanay Anao. Manetry tena sy mahery Ianao ary faly izahay fa mbola manjaka sy manapaka ianao mandrak’ankehitriny. Mangataka izahay mba hanampianao anay hamoa voa tsara! Maniry izahay ny hampiasa ny vokatry ny fiainanay mba hitarika ny hafa ahalala Anao. Tompo Jesosy, misaotra fa mbola afaka miditra eo amin’ny efitrano fivavahana izahay. Ary rehefa ao izahay dia aoka ny fonay ho feno fankasitrahana sy fanantenana! Mankalaza Anao izahay amin’ity Alatsinainy Masina ity. Amen”