Afaka ny ho TENA ianao ianao anio !
Hatramin’ny naha mpanoratra ny Fahagagana Isan’Andro ahy, dia niova tanteraka mihitsy ny fiainako. Tsikaritro fa betsaka ireo olona mandinika ahy, manohana ahy fa misy koa ireo mitsikera ahy !
Amin’ny ankapobeny, tsy manelingelina ahy ireo eritreritra ireo, fa isaky ny mahatsiaro ho malemy aho, dia tsapako mafimafy kokoa izany. Nefa sarotra amin’ny olona malemy ny mifehy ny fihetseham-po mafimafy.
Soa ihany fa mikarakara ny malemy foana ny Andriamanitra mahery !
Vantany vao nanomboka ity asa ity, dia nampifandraisina tamin’ny mpanolon-tsaina mahafinaritra izay aho. Notantarainy tamiko ny fomba nitenan’ny olona iray taminy, raha niara-nandendeha tamin’ny rainy izy : “Ianao ilay…”! Ary ny dadany, izay faly sady nirehareha tamin’ny zanany, dia saika nanohy ilay resaka, raha tsy nanakana azy izy hoe “Dada a, rehefa tonga ao an-trano isika dia te ho ilay zanakao fotsiny aho !”
Mahafinaritra izany fanehoana izany ! Dia nianatra lesona lehibe ho an’ny tenako tamin’izany aho, ary nampitaiko tamin’ny fianakaviako izany. Izaho koa dia mila toerana izay ahafahako ho “zanaky ny ray aman-dreniko” fotsiny. Naika hilaza ary aho hoe : toerana izay hoe zanaky ny ray aman-dreniko “ihany” aho. Fa tsy adino akory ny “maha zanak’Andriamanitra”, izay tena efa ampy tanteraka ! Zanak’Andriamanitra IANAO :
“Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.” (Galatiana 3.26)
Ary fantatrao ve ny tian’i Jesosy ho an’ny zanany, sy ho anao ?
Jesosy dia nilaza : “Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra. Ary nony nametraka ny tànany taminy Izy, dia niala teo.” (Matio 19:14-15)
Tsy nisy zavatra nataon’ny ankizy mba hampahamendrika amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Toy izany koa ianao. Tsy mila maneho ianao fa mafy, na mampiseho amin’ny alalan’ny zavatra ataonao fa manampy izao tontolo izao ianao amin’ny fanananao rehetra. Tsia, tiany amin’ny maha ianao anao ianao ! Afaka ho ilay zanaka fotsiny ianao anio, ZANAK’ANDRIAMANITRA !
Angamba tonga ny fotoana hilazanao hoe : “Miala tsiny fa tsy anio, mitsidika ny raiko aho, ary eto aho satria te ho “zanany aho”, ary ambonin’izany rehetra izany dia “zanak’Andriamanitra.”
Fahagagana ianao !