Afaka mitahy ny fisarahana ve Andriamanitra?
“Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra (...) ao ny andro andravana ary ao ny andro ananganana” (jereo Mpitoriteny 3:1-5)
Raha “manana ny fotoanany ny zava-drehetra”, mety hidika ve izany fa ny lalana – na dia eo amin’ny mpinamana aza – dia mety hisaraka indraindray? Ary mbola afaka mitahy ny andaniny sy ny ankilany ve Andriamanitra? Satria ao am-pontsika lalina dia samy maniry fiadanana isika rehetra. Maniry isika mba hitohy toy ny teo aloha ny zava-drehetra. Fa indraindray dia mijanona tsy mandroso intsony isika… ary raha ny marina :
Indraindray tsy maintsy misaraka, mba hahafahana mandroso. 🙏🏻
Paoly, izay nisehoan’i Jesosy (Asa 9:1-19) – tena mahagaga ! – fa niaina izany mihitsy niaraka tamin’i Barnabasy, namany teny an-dalana. Niaraka ekipa tena matanjaka izy ireo. Kanefa voasoratra hoe :
“Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka;” 😮 (Asa 15:39)
Azo antsoina hoe “tsy fitovian-kevitra” izany.
Barnabasy te hitondra an’i Jaona izay atao koa hoe Marka tamin’ny diany, fa Paoly tsy nety, satria efa nandiso fanantenana azy izy io taloha (jereo Asa 13:13).
Paoly nitaky fahamatorana sy fahitsiana. Barnabasy kosa nampiseho famindram-po sy fahasoavana. “ary nitondra an’i Marka i Barnabasy ary niondrana an-tsambo nankany Sipra. Fa nifidy an’i Silasy kosa i Paoly,” (Asa 15:40)
Midika ve izany fa “vita” ny momba azy sy Andriamanitra tamin’izay fotoana izay?
Mora eritreretina hoe diso fanantenana Andriamanitra ka tsy afaka nitahy azy ireo intsony. Kanefa ny mifanohitra amin’izany mihitsy no nitranga!
Indraindray, ny “fifandirana” eo amin’ny kristianina dia mitondra fitomboan’ny fitahiana!
Jereo tsara :
-
Paoly nitondra ny Filazantsara hatrany Eoropa.
-
Barnabasy nampahery lehilahy iray torotoro fo ary nanarina azy indray (Marka).
-
Marka nahita ny fiantsoana azy ka lasa evanjelista.
-
Silasy lasa namana mahatoky, ka niara-niditra am-ponja tamin’i Paoly mihitsy aza.
Kay kay kay! 🤩
Tsy ho tanteraka mihitsy izany rehetra izany raha mbola niaraka foana Paoly sy Barnabasy!
Samy nahazo fotoana hiainana ny fiantsoana azy avy izy ireo – ary tamin’izany no vao mainka nahery ny asa fanompoany.
Ary ny tena tsara indrindra dia asehon’ny Baiboly mazava fa nihavana ihany izy ireo tatỳ aoriana.
Manoro hevitra anao aho hitoetra ao anatin’ny fankatoavana Azy mba hahazoanao ny fitahiany avo roa heny!
Mety hisy ny tsy fifanarahana – fa amin’ny alalan’ny famelan-keloka, Andriamanitra te hitondra anao ho amin’ny fiantsoana lehibe kokoa.
Fahagagana ianao!