🕊️ Afaka miaina izany fahafahana izany ianao ANIO!
“Tsy zakako intsony izao zava-manjo izao! Mandrapahoviana no hiaretako ity fonja ity?” Tsaroanao ve ny niainanao ny fihibohana? Anio, hampahereziko tsara ianao : fa na dia mahatsiaro ho voageja ary ianao noho ny zava-misy, dia azonao atao ny mbola mahatsiaro tena ho afaka ara-panahy!
Mety hoe tsy noho ny Covid no mahatonga anao ho “voagadra”, fa noho ny antony ara-pahasalamana. Noho izany dia te hizara zavatra niainako aminao aho : nandritry ny 6 taona, dia nivahiny tany amina mpivady teratany Soisa, tena mahafinaritra aho, isaky ny faran'ny herinandro.
Ilay lehilahy mandeha amin'ny seza misy kodiarana hatramin'ny faha-17 taonany, efa niara-nandalo fitsapana maromaro izy mivady. Namely azy ireo ny paralysisa, ny homamiadana, ny aretin’ny voa, ary ireo aretina hafa manelingelina. Na izany aza, isaky ny nivory izahay, dia nisy foana ny fotoana hihomehezana, ka gaga ny manodidina anay!Azo eritreretina hoe voagejan’ny seza misy kodiarana io lehilahy namako io, ary ny vadiny koa dia voagejan'ny fitaovana mihazona azy ho salama sy velon’aina. Na izany na tsy izany, tsy nanakana azy ireo tsy hifantoka amin'ny faniriany ny toe-piainany izay tena voafetra, tsy nitomany fotsiny ny amin'ny tsy fahafahany mahavita zavatra izy ireo!Miantomboka amin'ny hira fiderana izay manakoako eraky ny trano ny tontolo androny, miara-mivavaka, miaraka mamaky ny Baiboly ary : Matoky an’Andriamanitra izy ireo! Tsy mijery akory ny aretina mahazo azy fa mifantoka amin'ilay fahamarinana izay manafaka azy : “ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8 : 32)
Mety mahatsiaro ho voagadra ianao - nefa koa tena afaka tanteraka! Ny fanontaniana mipetraka dia toy izao : “Inona no zavatra avelanao hisy eo amin'ny fiainanao?”
Tahaka an'i Paoly sy Silasy izay nidera an’Andriamanitra fony izy tao am-ponja, dia tsapany tsara, ry namako, fa tsy misy manafaka marina afa-tsy ny fiderana :
“Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.” (Asan'ny Apostoly 16 : 25)
Maniry ny handray ilay hery manafaka atolotr’Andriamanitra anao ve ianao?
Derao Izy amin'ny fonao rehetra, mihoatra noho ny fanaintainanao!
Fahagagana ianao!
