• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Feb 8, 2026

Afaka miaina bebe kokoa mihitsy ianao, … πŸ˜‰

Andro namoahana Feb 8, 2026

“Tena ho vitako ve izany ? Tokony hanandrana tokoa ve aho ? Tsy mbola nisy nanao an’io talohako… Ary raha tsy mahomby ?”

Azo antoka fa fanontaniana toy izany no nanitikitika ny sain’i Petera sy Jaona TALOHAN’izy ireo nihaona tamin’ilay lehilahy nalemy teo anoloan’ny tempoly sy nanombohany niresaka taminy. (Asan’ny Apostoly 3:1-11)

Kanefa efa nandre an’i Jesosy mihitsy izy ireo nilaza hoe : “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray..” (Jaona 14:12)

Fa raha tahaka ahy sy ianao i Petera sy Jaona, dia azo inoana fa nisalasala koa izy ireo hoe : “Tena handaitra tokoa ve izany ?”

Na izany aza, sahy nino izy ireo - ary nisy fahagagana lehibe nitranga ! Sitrana ilay nalemy ! Petera sy Jaona no voalohany (!) niaina fahagagana toy izany nefa tsy teo ara-batana niaraka tamin’izy ireo i Jesosy. (ho anao dia midika izany ankehitriny hoe : rehefa sahy mino ianao, dia misy varavarana vaovao misokatra! πŸ˜‰)

Rehefa hilaozantsika ny fisalasalana, dia miaina zavatra mahagaga miaraka amin’Andriamanitra isika !

Fa… tsy tonga “ ho azy” anefa izany. Ao amin’ny toko manaraka, rehefa nosamborina i Petera sy Jaona noho io fahagagana io (eny e, ny olona… rehefa misy manao zavatra tsara, dia misy foana ny fisalasalana - noho ny fialonana, efa hatramin’izay), dia nitana finoana mafy izy ireo, na teo anatrehan’ny fitsarana aza. Fa tamin’ny fomba ahoana ?

Izao no valiny, : “Ary Petera, feno ny Fanahy Masina, dia nanao taminy hoe.” (Asan’ny Apostoly 4:8) πŸ’ͺ🏻πŸ’ͺ🏻

Tsy hoe : “Feno tahotra.” Na koa hoe : “Feno kafe be.” Ary mainka moa ny hoe : “Feno ora maro tamin’ny tambajotra sosialy.”

Tsia, ny mifanohitra amin’izany mihitsy ! Mino aho fa nandany fotoana be nivavahana tamin’ny Rainy any an-danitra izy. Ary noho izany, Andriamanitra dia nanome azy ny Fanahy Masina sy NY heriny.

Rehefa manome FOTOANA BEBE kokoa ho an’Andriamanitra isika, dia mameno antsika amin’ny Fanahy Masina Izy - ary miaraka Aminy, fahatokisana matanjaka kokoa !

Ny hany ilaina amin’izany dia ny fotoananao. Vonona ve ianao hanao izany dingana izany ?

Eric CΓ©lΓ©rier
Mpanoratra

Eric CΓ©lΓ©rier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.