• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Jan 26, 2026

Afaka matoky anao ve Andriamanitra?

Andro namoahana Jan 26, 2026

Fanontaniana re izany! Eny, afaka matoky tokoa ve Andriamanitra fa hanao izay rehetra azonao atao ianao mba hampiasainao amin’ny fiainanao izay nankininy taminao? Mba hahatanteraka ny fikasany ho anao?

Mety hidika zavatra maro samihafa izany. Angamba ho anao izany dia midika hoe manao ny asanao amim-pahamendrehana, tsy mitaraina, na dia tsy araka izay antenainao aza ny karama, ary manao mihoatra noho izay mety ho andrasan'ny lehibenao ianao.

Izao no fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly: “ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny”. (Kolosiana 3:23-24).

Mety hidika koa izany hoe miala am-pandriana isa-maraina miaraka amin'ny hafanam-po, na dia tsy faly loatra amin'ny toe-javatra misy anao amin'izao fotoana izao aza ianao satria nivadika hafa mihitsy ny tantara…

Indro ihany koa ny fampaherezana avy amin’ny Baiboly: “Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo.” (1 Korintiana 15:58).

Izaho sy ianao dia manana iraka manan-danja lavitra noho izay eritrerentitsika. Tian’Andriamanitra hamela fiantraikany maharitra isika, izay ho rakitra mandrakizay eto amin’ity tontolo ity!

Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.”. (Efesiana 2:10)

Afaka ankinin’Andriamanitra aminao ve izay sarobidy amin’ny Fony? Afaka matoky anao ve Izy hanatanteraka ny faniriany lehibe? Afaka matoky anao ve Izy?

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.