• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Mey 1, 2026

Afaka manova ny famandrihan-toeranao maimaimpoana ianao

Andro namoahana Mey 1, 2026

Youpi, vita ihany, efa namandrika ny tapakila ho amin’ny fialantsasatra herinandro aho !

Saingy indrisy, ny ampitso maraina, dia tonga saina aho fa tsy mety ilay herinandro izay nosafidiako. Diso ilay fotoana namandrihako ny tapakilako.

Koa satria aho manana ilay karatra fahatokiana ho an’ny mpandeha matetika, dia nieritreritra aho fa tsy hanana olana amin’ny fanovana ny sidina andehanako. Gaga anefa aho, fa nisy sarany lafo ilay fanovana izany ! Diso fanantenana aho : “Inona izany no ilàna ilay karatra”, hoy aho ?

Fantatrao ve inona no noeritreretiko avy eo ?

Matetika isika no misaintsaina ny finoana, ary indrindra indrindra ny tanjaka avy amin'izany mba hanampiana antsika handresy ny fahasahiranana atrehintsika.

Saingy raha ny marina, mahalana isika no mieritreritra fa tsy ny zavatra entin'ny finoana antsika eto sy ankehitriny fotsiny ihany no zava-dehibe, fa zavatra lehibe lavitra : mikasika ny mandrakizay antsika.

Hatramin'ny pejy voalohany amin'ny Apokalypsy dia mamaky isika hoe :

"Ho an'izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny"

… "Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza;"

… "Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha." (Ampahany amin'ny Apokalypsy 1:5-8)

Mety efa namandrika ny tapakilanao "ho any an-danitra" ianao. Nilaza ENY tamin'i Jesosy ianao; ary nanome Azy ny fiainanao. Saingy anio, tsapanao fa feno fisalasalana ny ENY-nao. Angamba tsy tena nilaza ENY mihitsy ianao. Fa kosa, nilaza ENY tamin'ny zavatra eto amin'izao tontolo izao sy zavatra hafa izay tsy mahafaly Ilay maty ho anao ianao.

Raha izany no izy, dia mbola afaka manova ny famandrihanao ianao anio, "eto sy ankehitriny." Tsy misy sarany fanampiny izany. Tsy misy sarany !

"Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany," (Efesiana 1:7)

Maniry ny hiara-miaina aminao Andriamanitra anio satria maniry ny hiaraka aminao mandrakizay Izy!

Eny, makà fotoana ho Azy amin'izao fotoana izao; manomana ny mandrakizay ho anao Izy!

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.