• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 1, 2024

🎟️ Afaka manova maimaim-poana ny famandrihana nataonao ianao! 

Andro namoahana Des 1, 2024

Oeeee, avy nanao ny famandrihan-toerana handeha hiala sasatra herinandro aho! 

Indrisy anefa fa ny ampitso maraina aho vao tonga saina fa tsy mety ilay daty nofidiko! Diso fe-potoana aho namandrika ilay tapakila!  

Satria efa manana karatra ho an’ ny mpanjifa mahafatra-po aho, dia nihevitra fa tsy ho olana ho ahy ny hanova ny datin’ny sidina. Indrisy anefa, akory ny hagagako fa vola misimisy no naloako noho izay fanovana nataoko izay. Diso fanantenana aho. Inona izany no ilako an’ity karatra ity, hoy aho nanontany tena?

Fantatrao ve ny tao an-tsaiko tao aorinan’izay?

Matetika isika no misaintsaina momba ny finoana, indrindra fa ny hery azo avy amin’izany mba hanampiana antsika handresy ny adintsika.

Saingy, ny marina, mahalana isika no mba mihevitra hoe zava-dehibe lavitra noho ny ankehitrinintsika sy ny ety an-tany, ny vokatry ny finoana amin’ny mandrakizay antsika. 

Ao amin’ny pejy voalohany amin’ny Bokin’Apokalypsy isika dia mahita fa : 

Tia antsika Jesosy Kristy ka nanafaka ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny ràny…”

Indro, ho avy eo afovoan’ny rahona Izy, ary hahita Azy ny olona rehetra, na dia izay nandefona Azy aza…”

Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha. “ (Apokalypsy 1: 5-8)

Mety efa namandrika ny tapakilanao ho any “an-danitra” ianao. Efa nandray an’i Jesosy ianao, ary nanolotra ny fiainanao ho Azy. Saingy androany dia tsapanao fa feno fisalasalana ilay “ENY” - nao.  Ny fiainan’izao tontolo izao no nekenao kokoa sy ireo zavatra tsy araky ny sitrapon’Ilay maty ho anao. 

Mbola azonao atao nefa ny manova izany famandrihana izany anio, “izao ankehitriny izao”. Tsy misy sarany fanampiny aloanao. 

Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany. (Efesiana 1:7)

Te hiara hiaina aminao Andriamanitra anio satria maniry hiaina fiainana mandrakizay miaraka aminao Izy!

Manokàna fotoana ho Azy anio, efa manomana mandrakizay ho anao Izy!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.