Afaka mahazo fahasoavana bebe kokoa ve izahay azafady ?
“...Tena ohatran’ny bevohoka aho. Raha tena izany tokoa, dia ho tezitra mafy ny raiko, izay mpitandrina, ary handroaka ahy hiala ao an-trano.”
Nijoro teo anatrehako ilay tovovavy 16 taona, nitomany. Very hevitra. Kivy tanteraka. Natahotra. Raha fintinina : ketraka tanteraka.
Ary vaky ny foko : “Ahoana no ahafahan’ny olona iray, izay efa mijaly mafy noho ny toe-javatra hiainany, ary mbola tsy maintsy miatrika izany irery ihany koa, satria fantany tsara fa ny fanomezan-tsiny no ho tonga aloha, fa tsy ny fitiavana ?”
Marina fa toe-javatra tena sarotra tokoa izany. Nefa izao no torohevitra omeko : Andeha atomboka amin’ny famihinana feno fitiavana — ary avy eo, andao hiara-hitady lalana feno fitiavana !
Raha Andriamanitra mantsy no manondro antsika amin’ny rantsan-tanana manome tsiny aloha, vao mampiseho ny fitiavany, dia ho olana be izany — ary ho mandrakizay mihitsy !
Tahak’izany ny niafaran’ny tantaran’ilay jamba nositranin’i Jesosy ao amin’ny Baiboly (jereo Jaona 9:1-12). Tamin’izany fotoana izany, ny fahajambana dia noheverina ho famantarana ny ota, ka hoy ny Fariseo :“Tena teraka tamin'ny ota ialahy… !” (jereo Jaona 9:34)
Ary na dia efa nositranin’i Jesosy aza izy, dia mbola niraikitra tamin’ny heviny ihany izy ireo, nilaza fa mpanota io lehilahy io — ka tsy mendrika azy ary : “Dia noroahiny izy.” (jereo Jaona 9:34)
Na taloha na ankehitriny, mampalahelo fa maro kokoa ny olona mitsara noho ny olona tia. 😕
Koa andeha isika hiavaka ! Aleo atsahatra io fanondro manome tsiny io - ary sokafana kosa ny sandrintsika handray ny olona araka izay maha-izy azy. ❤️
Raha mba fantatry ny olona hoe IZA aho taloha… 🫣
Raha fantatr’izy ireo izay nolazaiko sy nataoko tany aloha — dia efa natoka-monina aho.
Ary ianao koa angamba 😉 ?
“Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.” (1 Korintiana 6:11)
Misy olona ankehitriny izay eo amin’ny toerana nisy ANAO omaly.
Koa aoka tsy ny fanondro manome tsiny no hahatratra azy ireo, fa ilay fahasoavana izay efa noraisintsika — na izay niriantsika noraisina.
Ny zavatra iainana ANIO, dia miverina RAHAMPITSO !
Misaotra noho ny fitiavanao!