Afaka mahatoky tanteraka ianao ! 🙌🏻

Efa tsapanao ve izany hoe manana fahatokiana tsy azo azavaina izany?
Tsaroako fa tamin’ny nahalalako an’i Jesosy fony aho 15 taona, dia niova tanteraka ny fiainako. Iray amin’ireo zavatra namely mafy ahy indrindra dia ilay fahatsapana fahatokiana izay nanenika ny fanahiko. Tsy afaka nanazava tsara aho, nefa fantatro fa tena misy Andriamanitra. Nanana ny fahatokiana aho fa miaraka amiko Izy, ary nanana fahatokiana aho fa hiaraka Aminy any an-danitra mandrakizay aho. Nandany ora maro aho naka sary an-tsaina hoe mety ho ahoana izany any An-danitra ! =) Izany no niteraka zava-baovao tao anatiko, ny Fisiany ho ahy, izay nanova ny fiainako mandrakizay.
Izany indrindra no famaritana omen’ny Baiboly ny finoana : "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1). Tsy hitanao ireo zavatra ireo, kanefa mino ianao : azonao antoka tanteraka satria fantatrao fa marina izany. Io finoana lalina io no ahafahanao mahita fahagagana mahatalanjona, io no vavahady hidirana amin’ny zava-baovao eo amin’ny fiainanao. Eny, io fahatokiana io no miteraka ny tena fiovana!
Manana fahatokiana ve ianao fa tena miaraka aminao Andriamanitra ? Manana ny fahatokiana ve ianao fa ho tanteraka amin’ny fiainanao ny fampanantenany ? Raha tsy izany, tiako ny manasa anao hivavaka miaraka amiko izao : "Tompo ô, mangataka Aminao aho hanampy ahy hanana finoana velona kokoa, tena izy kokoa, finoana miseho eo amin’ny sehatra rehetra amin’ny fiainako. Tiako ny hanana fahatokiana bebe kokoa, fahatokiana lalina kokoa. Na dia tsy hitan’ny masoko aza izany, dia mba ho hitako amin’ny mason’ny finoana. Misaotra Anao aho noho izay ataonao eo amin’ny fiainako, Tompo. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen."
Mitoetra ato am-poko ianao.

