Afaka hahazo tombony isika! ππ»
Mifantoka kokoa amin’ny olanao ve ianao izao, sa amin’ny fahalehibiazan’Andriamanitra?Manasa anao aho mba handini-tena ny amin’izany fanontaniana izany. Inona no olanao ankehitriny? Ny olana indray ve no mameno ny sainao mihoatra noho ireo vahaolana azo antoka homen’Andriamanitra anao?
Tamin’ny dia misionera farany nataoko tany Burkina Faso dia tsy nahafehy tena intsony aho. Andalam-paharavana ny fiainan-tokantranoko.
Nandry teo amin'io kidoro manify sy tonta io aho ary nitomany mandra-patory.
Ny ampitso, nifoha vao maraina aho mba hanakona ireo ranomasoko tamin’ny manjamaso ary haneho tsikim-pifaliana tsy tena izy. Tsy tiako hisy hahafantatra ny alaheloko.
Tokony tonga naka anay alohan’ny fotoana ilay mpamily, saingy tsy tonga izy. Taty aoriana dia renay hoe vaky kodiarana ny fiarany. Ny olona rehetra dia nandray izany tamin’ny fihomehezana : “Tsy misy olana izany.”
Toa mahavaly ny fanontaniana rehetra ho azy ireo izany. Ho ahy manokana, tonga ara-potoana sy mavitrika hatrany - tsoriko fa nanopy maso lalina aho farafahakeliny in-dimy: “Fa maninona ary izy no tsy tonga?” Haha… πππ€
Tamin’izaho nanontany hoe : “Ho vitantsika avokoa ny fandaharam-potoana anio ?” Dia nisy namaly ahy hoe : “Noho ny famindrampon’Andriamanitra!”
Teny averimberin’izy ireo foana izany. Izay koa no valin-teny azo rehefa manontany hoe : “Manao ahoana ianao?”
Tsy handre fitarainana mihitsy tahaka ny hoe : “Hitanao, mandalo fisarahana sarotra aho…” fa ny valin-teny dia tsy maintsy hoe : “Noho ny famindram-pon’Andriamanitra - tsy misy olana izany.”
Izay no fomban’izy ireo mba hanehoana TSY AN-KIATO hoe : “Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.” (Salamo 34:5)
Eny, ilay Andriamaniny Lehibe - fa tsy ny olany - no ataony eo afovoany. Ah, te hiaina izany lalandava aho. Ianao koa?
Handeha hanome voninahitra ho an’Andriamanitra isika amin’ny fahatokiantsika - ho ampitomboiny izany fahatokiana izany.