• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Aog 13, 2026

Afa-bizana tsara ve ianao ?

Andro namoahana Aog 13, 2026

Manao ahoana ianao?

Tsapako fa vitsy ny olona rehefa hanontaniana hoe “Manao ahoana ianao?” no mamaly hoe : “Misaotra, milamina tsara aho ka!”

Tsoriko fa na izaho aza dia manampy koa indraindray hoe : “Misaotra fa milamina aho, … saingy…” Ary raha jereko manokana io “saingy” io, dia matetika misy ifandraisany amin’ny hoe izaho tsy afa-bizana tsara foana. Milamina tsara aho, “saingy” be loatra no tokony hatao… reraka loatra aho!

Kanefa dia mifanerasera isan’andro amin’Andriamanitra aho, mivavaka, miezaka mba hiaina araka ny sitrapony. Na izany na tsy izany, ny havizanako dia mitarika ny vavako hiteny hoe “saingy”, mba hamaliana ilay fanontaniana hoe “Manao ahoana ianao?”

Rehefa tonga saina aho taty aoriana, dia sorena tamin’ny tenako isaky ny miteny foana hoe “Misaotra, milamina tsara aho, saingy…” Haha. Inoako fa tsy izany no fiainana tian’Andriamanitra ho antsika!

Makà aina izao, mba hahitanao fifaliana !

“Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.“ (Genesisy 2:3)

Fantatrao ve hoe impiry io andro fahafito io no miseho? Indray mandeha isan-kerinandro! Eny, fantatrao izany. Fa midika inona izany ho anao? Na Andriamanitra aza mba maka aina amin’izany! Izy, Andriamanitra!

Voatery nitsiky fotsiny aho tamin’izaho nikaroka tamin’ny aterineto ny tena hevitry ny teny hoe “maka aina’, ka nahita fanoharana momba ny tetezana : “Mipetraka ambonin’ny andry telo ny tetezana.” Tsy ho nahita fanoharana tsara kokoa noho izany aho.

Ianao koa, mahazo maka aina, miala sasatra, manavao hery amin’ireo andry telo ireo:

  • Amin’Andriamanitra Ray, izay mampianatra anao hoe ny FAKANA AINA dia anisan’ny fiainana.

  • Amin’ I Jesosy izay nizaka ny vesatry ny otanao sy helokao mba hahafahanao MAKA AINA

  • Amin’ny Fanahy Masina izay mampahatsiahy anao tsy ankiato fa mila MAKA AINA ianao mba hanova ilay “Misaotra, milamina tsara aho, saingy…” ho lasa hoe “Misaotra, tena milamina tsara aho.”

Vonona ny hiezaka ve isika - izaho sy ianao - mba hahazoana io fakana aina izay irin’Andriamanitra fatratra io?

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.