👍 Ady tsara izany!

Ianao ve efa nahatsapa ho lasibatry ny fanafihana ataon’ny fahavalo ara-panahy? Indraindray eo amin'ny fiainantsika dia toa manohitra antsika ny zava-drehetra.
Ny Apostoly Paoly dia tena nanana traikefa ny amin’ny resaka ady sy fanoherana ny haizina. Rehefa avy nanolotra ny fiainany hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo i Paoly dia nampitainy tamin’i Timoty, mpianany ny hoe : “Miadia ny ady tsaran'ny finoana,” (I Timoty 6:12)
Tsara ny manamarika fa tsy ny fiadiana mivantana ny devoly no tian’io mpiady mahery finoana io ambara tamin’i Timoty! Tsia, tamin’ny fomba hafa no nanombohany ny resaka: milaza izy hoe miadia (eny, mila miady izy) ny ady tsara (nahoana no hoe “tsara” izany ady izany? Kanefa dia izay mihitsy no izy) ny finoana (ny finoana no fototra eto, izay no antony hiantsoana azy hoe “ady tsaran’ny finoana”).
Ary koa, tsy ady maro no ambarany eto, fa ady tokana ihany, satria amin’ny farany, ny fiavian’ny tolona rehetra ataontsika, sy ny fandresena dia ao anatin'io "ady tsaran'ny finoana" io ihany.
Ry namako, efa resin’Andriamanitra ny adinao! Efa nambarany tamintsika izay rehetra ilaintsika fantarina mba hizotra amin’ny fandresena, amin’ny lafim-piainana rehetra.
Mandritra ny andro vitsivitsy dia te hizara aminao fanalahidy maromaro aho, mba hanampy anao hahafantatra ny fomba fiady ny ady tsara, mba hizoranao amin’ny fandresena izay nomanin’Andriamanitra ho anao. Vonona ve ianao?
Manoatra noho ny mpandresy ianao ao Aminy.
Fahagagana ianao!

