Adinoy amin’izay izany.
Nianjera tamin'ny tany ny findaiko. Nipetrapetraka naka aina teo andavarangana teo amin’ny rihana fahatelo aho ary tsy nahatsikaritra akory hoe ratsy fipetraka be ny findaiko ...
Potika tanteraka ilay finday, ary na dia niezaka ny hamonjy an’ilay izy aza aho dia tsy nisy azo natao intsony...
Raha ny marina, tsy ilay findaiko loatra no tena zava-dehibe tamiko... fa ireo sary marobe voatahiry tao anatiny, anisan’ny voarakitra tao anatin’izany ny fiarahako tamin’ny olon-tiako taloha, izay vao tsy ela akory no nanolo ahy tamin’ny olon-kafa tamin'izany, na dia efa tao anatin’ny fanomanana ny fanambadiana aza izahay…
Hatramin'ny nisarahanay, dia mandany ora , andro, eny herinandro maromaro aho nijery ireo sarinay rehetra sady migogogogo mitomany...
"Tsy nahavita nanao na inona na inona aho manoloana ny ratram-poko, fa vao maika nifikitra mafy tamin’ny izay nampahory ahy."
Lehibe loatra ny alaheloko tamin'izany fotoana izany! Fa rehefa nandinika aho taty aoriana, dia azoko lazaina fa anisan’ny ZAVATRA TSARA INDRINDRA nanjo ahy izany! Satria tsy nanana fahafahana intsony aho "nijerijery" ny lasako.
Ankehitriny, ny hany azoko natao dia ny mijery izay ZAVA-MISY ankehitriny ary MATOKY ny amin’ izay zavatra ho avy. Sy hino. Eny, fanapahan-kevitra ilaina raisina ao anatin’izany fotoana izany ny mino. Ary hisy vokany izany fanapahan-kevitra izany. Afaka manambara izany aho anio noho ny amin’ny traikefako manokana! Andriamanitra dia mitana ny Teniny! Ary voasoratra hoe:
“Manasitrana ny torotoro fo Izy ary mamehy ny feriny”. (Salamo 147:3).
Mety misy sary tokony hofafana ao amin'ny findainao ao IZAO. Mety misy ihany koa eritreritra tokony hesorinao ao an-tsaina amin'izay. Ho fantatrao hoe inona avy izy ireo, ary ianao ihany no afaka manapa-kevitra raha mbola te hitazona ela ireo fahatsiarovan’ny andro ratsy teo amin'ny fiainanao.
Aza mieritreritra ny lasa - fa fiainana vaovao no efa ho avy aminao !