Adinonao ve izany?
Inona no azonao atao mba hampifaliana ny namanao?
Ny ahy manokana ohatra, faly foana aho rehefa manolotra voninkazo ahy ny namako. Tena tiako ny voninkazo! Ka ho setrin'izany, amin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'izy ireo, fantatrao hoe inona no ataoko? Izany matetika no omeko azy ireo… Satria te-hanome azy ireo izay tiako horaisina ihany koa aho sady manantena fa tiany koa ny voninkazo!
“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:39).
Izany no didin’Andriamanitra faharoa. Ary fantatrao ve hoe inona ilay voalohany?
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra”. (Matio 22:37).
Mahafinaritra ahy firesahana fitiavana amin’ ireo didy roa ireo, izay tena lehibe indrindra. Rehefa mandre "didy" isika dia mety mieritreritra zavatra masiaka, entitra, sy sarotra tanterahina... Fa ny FITIAVANA? Afaka ataontsika izany, raha tiantsika! ☺️
Noho izany, amin’ny lafiny iray, dia misy an’Andriamanitra izay maniry ny ho tiavinao, ary amin’ny lafiny iray kosa, ny mpiara-belona amintsika izay tian’Andriamanitra ho tiavinao koa.
Raha miverina amin’ilay fanontaniako voalohany aho hoe “Inona no azonao atao mba hampifaliana ny namanao?” ka ovaiko manao hoe: “Inona no azonao atao mba hampifaliana ny Andriamanitrao?”
Ny valinteniko dia izao: Ekeo fotsiny ny sorona lehibe nataony noho ny fitiavany anao tamin’ny nanolorany ny Zanany teo amin’ny hazo fijaliana, mba hanananao fifandraisana manokana Aminy! (Jaona 3:16)
Amin’ny alalan’inona? Amin’ny alalan’ny vavaka. Toy ny solika ny vavaka: mampandroso ny fifandraisanao Aminy izany!
Ary io Andriamanitra io ihany, izay maniry ny fitiavanao, dia maniry koa ny hanehoanao izany amin’ny firesahana Aminy mivantana, amin’ny alalan’ny vavaka! Ary fantatrao ve? Tsy misy zavatra sarobidy kokoa azonao atao ho an’ny namanao mihoatra noho ny miresaka amin’i Jesosy momba azy ireo amin’ny alalan’ny vavaka.
Hahazo izay tiantsika indrindra ireo namantsika — raha mifanome tanana ho azy ireo isika!
🙌 Adinontsika vetivety foana indraindray izay tena tokony atao. Koa ankehitriny dia tiako ny mampahatsiahy anao fa ny namanao dia afaka miaina fahagagana amin'ny alalan'ny vavaka ataonao!
💡 Satria izay tia ny namany….. dia mivavaka ho azy ireo.