• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
    • VI Vietnamese
Andro namoahana Okt 1, 2026

01 Rand

Andro namoahana Okt 1, 2026

Izahay mivady moa dia nanao asa misionera tany afrika atsimo ny taona 2014 ka hatramin’ny 2016. Rehefa tonga kelikely tany aho, fa ny vadiko moa efa nipetraka an-taonany maro tany, dia mandalo sedra mafy satria nisy vola nandrasako tokony nalefan’ilay niara-niasa tamiko, nefa tsy nalefany mihitsy. Ambivotra ny teo am-pelatanana ary nisy fotoana dia nanendy tongolo sy ovy izahay sisa hohanina….azonao an-tsaina ve? Tsy nisy nosarangotina fa dia natoky hoe mamatsy Jesosy. 01 Rand sisa indray andro ary afaka nisafidy hoe nividianana mofo na ho atao fanatitra satria nisy fotoam-bavaka tamin’izay. Nohazonin’ny vadiko moa ilay vola ary rehefa vita ny fanentanana tao am-piangonana dia narotsany am-pinoana. Na nisy fanahiana kely aza tao anatiko tam-boalohany, dia feno fifaliana izahay roa nody, nidera sy nisaotra an’Andriamanitra teo. Niditra avy any ilay lehiben’ilay ivo toerana nipetrahanay ary nilaza hoe : “Mahatsapa fiadanana aho aminareo! Inona moa ny tena irakareo izany?” Dia nanazava teo izahay ary hoy izy: “Ianareo no ilaina hanangana fiangonana any Sasolburg. Manomboka izao dia izahay no miantoka ny trano hipetrahanareo, ny fiara, ny sakafo sy izay momba anareo rehetra ary omenay karama toy izao ianareo isam-bolana!” Woww…..tsy nampino fa dia niasa tam-pahagagana ny Tompo. Voninahitra ho Azy irery ihany!! Mbola nasainy nandeha restaurant aza izahay avy eo….tsy nihinana tongolo sy ovy😁

Tanatin’indray nipi-maso dia nitsimbadika ny fiainanay satria nahatoky ity Teny ity hoe “Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao” (Isaia 54:4)

Te hampahery anao koa aho hoe aza mamotsitra. Izay nataony taminay dia afaka ny ho ataony aminao koa. Tsy hamela anao ho afa-baraka ny Rainao. Tiany loatra ianao. 

Fahagagana Izy, ianao koa 🙏💕

Norotiana Andriamanohy
Mpanoratra

Vehivavy tsotra iray izay nihaona tamin'i Jesosy ary niova ho voninahiny