• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Vavaka

Ny Vavaky ny Tompo

Ny Vavaky ny Tompo dia vavaka Kristianina izay, araky ny Testamenta Vaovao, nampianarin’I Jesosy mba ho fomba fivavaka.


Maro ireo nanara-dia an'I Jesosy fony Izy teto an-tany. Nanaraka Azy izy ireo amin'izay asa fitoriana nataony ary niantso Azy hoe “Raby” izay midika hoe “Mpampianatra” amin'ny teny Hebreo.


Ny hany fotoana izay voasoratra fa nangataka tamin’I Jesosy ireo mpianany mba hampianatra azy ireo zavatra manokana dia momba ny vavaka. Indray andro rehefa nifampiresaka tamin’izy ireo Jesosy, nangataka izy ireo “Ampianaro mivavaka izahay”. Ny manaraka avy eo dia ilay “Vavaky ny Tompo” fanta-daza. Azo ambara fa nandritra izay 3 taona niarahan’izy ireo Taminy dia hitan’izy ireo ny fifandraisan’I Jesosy tamin’Andriamanitra Ray Masina, ary tsapany fa tena tsy manan-tsahala, miavaka, tsy mitovy amin'ny fomba fivavaky ny “Raby” hafa. Koa nampianarin’I Jesosy tamin’izy ireo izany vavaka izany izay, arivo taona aty aoriana, mbola vavaka ataon’olona aman-tapitrisany maro hatramin'izay ka hatramin'izao.

Ny Vavaky ny Tompo

Rainay izay any an-danitra,

Hohamasinina anie ny anaranao.

Ho tonga anie ny fanjakanao.

Hatao anie ny sitraponao.

Ny ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

Ary mamelà ny helokay.

Tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy,

Fa manafaha anay amin’ny ratsy.

Fa Anao ny fanjakana sy ny hery

Ary ny voninahitra mandrakizay.

Amena

Ny Vavaky ny Tompo ao amin'ny “The Chosen”

Ny Vavaky ny Tompo ao amin'ny Baiboly

Tsy nosoratan’olombelona tsy akory ny Vavaky ny Tompo. Jesosy - izay ninoan’ireo mpianatra ho Ilay Zanak'Andriamanitra - tenany mihitsy no nampianatra izany an’ireo mpianatra sy izay sakaiza. Azonao vakiana ao amin'ny Baiboly izany, ohatra Matio 6. Mahafinaritra ny manana an'izao fitarihana amin'ny vavaka avy amin’Andriamanitra izao. Mety sambany ianao vao nivavaka ka sarotsarotra aminao ny hahita ireo teny sahaza. Ny fiandohana mety indrindra dia ny fampiasana ny tenin’I Jesosy. Tsy voatery hiova na hivoana amin'izany ianao. Na ireo olona efa Kristianina hatry ny ela aza dia mbola mampiasa hatrany io Vavaka izay tena tsara ary manan-kery io.

Mahavita manonona vavaka ve ianao?

Vavaka, na fivavaka, dia fifandraisana tsotra izao amin’Andriamanitra. Ao amin'ny Baiboly dia ahitana an'I Jesosy milaza fa rehefa mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy isika dia lasa atsangan’Andriamanitra ho zanany! Midika izany fa ny vavaka raha tsorina dia tahaka ny fifandraisana amin'ny Ray be fitiavana. Azonao atao ny mampiasa ny Vavaky ny Tompo, fa azonao atao ihany koa ny mamboraka izay ao am-ponao amin’Andriamanitra. Tsy voatery misy fombafomba, na koa manaraka fitsipika na teny fidifidiana. Malalaka ianao hilaza izay tonga ao an-tsainao rehetra! Miahy antsika Andriamanitra araka ny voalazan'ny Baiboly, ka tsy misy goavana loatra na madinika loatra tsy azontsika entina am-bavaka amin’Andriamanitra.