• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
Jesosy

Tena nisy ve Jesosy?

Tena nisy ve Jesosy? Fanontaniana tena tsara fipetraka izany. Maro ireo tantara hita anaty Baiboly, fa amin'ny fomba ahoana no azo inoana tanteraka boky izay efa mihoatra ny 2000 taona? Misy raki-tsoratra hafa mety afaka hanamarina ny nisian’I Jesosy ve?

Ndeha hatomboka amin'ny Baiboly

Misy fizarana 2 lehibe ny Baiboly, izay iaraha-mahalala hoe ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Maro ireo filazana momban’I Jesosy hita ao amin'ny Testamenta Vaovao. Mba ho fanazavana dia Jesosy tenany tsy nanoratra ny Baiboly tsy akory. Ilay fizarana faharoa ao amin'ny Baiboly dia nosoratan'ny sakaizan’I Jesosy na koa ireo mpanara-dia Azy arak’izay tatitra voakaroka tsara izay nataon’ny vavolombelona nanatri-maso. Zava-dehibe ny manamarika fa kolontsaina tena nanan-danja ny fahaiza-mitantara tamin'izany vanimpotoana izany. Koa satria vitsy ireo olona nahay namaky sy nanoratra dia tena goavana teo amin'ny kolontsaina ny fahaiza-mitantara. Ny tantara dia matetika tadidiana sy nampitaina amin'ny fomba marina. Ny ampahany voalohany amin’ny Testamenta Vaovao dia nosoratana 25 taona latsaka taorian’ny nahafatesan’I Jesosy. Mbola velona avokoa ny ankamaroan'ireo vavolombelona nanatri-maso tamin'ny fotoana nanoratra ny tantara anaty Baiboly. Ao amin'ny boky hafa avy amin'ny “Classical Antiquity” indray kosa dia lava kokoa ary ireo antontan-taratasy ireo koa dia heverina ho boky manan-tantara.

Sora-tanana

Misy sora-tanana maherin’ny 5.600 ao amin’ny Testamenta Vaovao (na ampahany). Mihoatra lavitra noho izay antontan-taratasy ara-tantara rehetra izay eken'ny rehetra ho raki-tsoratra marina sy azo itokisana izany. Midika izany fa ny soratra fototra niaingan’ny Testamenta Vaovao dia azo averina adika amin'ny fomba marina tsara lavitra. Ireo mpikaroka dia nahita fa raha mandinika lalina ny andinin-teny sy izay fanazavana fototra ianao dia tokana ihany ny fehin-kevitra; ary izany dia 30 taona farafahatarany eo anelanelan’ny zava-nitranga marina sy ny fotoana nanoratana ireo Filazantsara efatra.

Ny mpahay siansa

Inona no lazain’ireo mpahay siansa sy arkeology malaza izay tsy milaza ny tenany ho Kristianina momba ilay fanontaniana hoe: Tena nisy tokoa ve I Jesosy? Ny tsipiriany momba ny fisiany dia niadian-kevitra nandritra ny taonjato maro, nefa saika ny mpahay siansa sy ny arkeology rehetra no manaiky fa I Jesosy Olombelona dia tena niaina teto an-tany.

Raki-tsoratra tsy kristianina

Tamin’ny fotoana nilazana fa velona I Jesosy, dia nisy mpahay tantara izay nirakitra an-tsipiriany ny zava-drehetra momba ny zava-nitranga tamin’ny androny. Ny mpahay tantara jiosy malaza indrindra tamin’izany fotoana izany dia i Flavius Josephus, izay nanoratra andian-teny sasany momba an’I Jesosy, toy ny hoe lehilahy hendry Izy, nanana mpanara-dia jiosy sy hafa firenena, ary nitantara momba ny nahafatesany koa izy. Raki-tsoratra efatra hafa no hita mitantara ny fiainan’I Jesosy. Manam-pahaizana ara-tantara maro no manamarina fa teraka jiosy I Jesosy teo anelanelan’ny taona 6 sy 2 talohan’I Jesosy Kristy. Tao Nazareta no niainany ny fahazazany. Nataon’i Jaona Batisa Izy. Namory mpianatra nanodidina Azy Izy ary nampianatra azy ireo sy ny hafa momba ny Finoana. Teo amin’ny taona 30 tany ho any, dia nankany Jerosalema Izy mba hankalaza ny Paska jiosy ary nitarika disadisa tao an-tempoly. Nosamborina sy nohadihadian’ny manam-pahefana jiosy Izy, ary novonoin’i Pontio Pilato. Voaheloka ho faty sy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ary nalevina I Jesosy.

Fantaro ny valinten

Tena nisy ve Jesosy? Azonao inoana fa niaina teto an-tany I Jesosy. Fa hanao ahoana ny hiafaran’ny tantara? Teo amin'ny fahafatesany sa mbola misy tohiny izany? Anjaranao no mahita ny valin’izany.

Raha toa ka mbola misy tianao anontaniana mikasika an’Andriamanitra sy ny hafatra tiany ampitaina: misorata anarana eto anio dia haharay mailaka isa-maraina ianao. Hanampy anao mba hitombo ara-pinoana sy hiaina tsara ny fisian’Andriamanitra sy ny heriny izany!