• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • EN English
    • ES Spanish
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
Jesosy

Ny Tantara : Ny fiainan'I Jesosy teto an-tany

Hianatra momba an’I Jesosy no nahatongavanao eto, koa ndeha hiroso amin'izany isika, vonona ve? Jesosy dia olo-malaza tena nanaitra, ary ny lazany dia mipaka amin'ny tantara hatramin'izao vanim-potoana ankehitriny izao. Angamba efa fantatrao hoe mankalaza ny nahaterahany isika rehefa Krismasy ary mahatsiaro ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty rehefa Zoma Masina sy Paska. Fa iza marina moa Jesosy? Ary inona no tena zava-nitranga teo amin'ny fiainany, ny tantaram-piainany?

Anatin’ity tantaram-piainan’I Jesosy ity no hizahantsika tsikelikely manomboka amin'ny nahaterahany izay tena mahagaga ka hatramin'ny nialany aina ary ny ankoatra izany!

Ny nahaterahan’I Jesosy sy ny fahazazany

Ny taona 4 talohan'I Jesosy Kristy ka hatramin'ny taona 30 taona taorian’I Jesosy Kristy

Tamin'ny andron’I Jesosy dia tsy mba nankalazaina araka ny lanjany sy ny halavany ary ny daty marina nahaterahan'ny zaza tahaka ny ataontsika ankehitriny ny filazana fahaterahana. Tsy mba nisy tambajotran-tserasera namoahana ny sarin’I Jesosy zazakely nifono lamba rongony sady namihina bitro.  I Lioka sy Matio, roa tamin’ireo mpanoratra ny filazantsaran’ny Baiboly anefa, dia nampiditra tamin’antsipiriany momba ny tena nahaterahany.  Noho ireo fitantarana ireo, dia afaka mamorona an’io tantaram-piainan’ny fahatongavan’I Jesosy teto an-tany io isika. Tsy mba tantaram-pahaterahana mahazatra izany.

Ny taona 4 talohan'I Jesosy Kristy

Nisy Anjely namangy an'i MariaTamin'ny fotoana efa hivadian’i Maria sy Josefa, tanora mpifamofo, no namangian’ny Anjely an'i Maria. Niteny taminy ny Anjely fa hiteraka Zazalahy izay ho zanak’Andriamanitra izy. Tsy nahazo ny hafatra i Maria satria mbola virjiny ny tenany! “Ahoana no hahatanteraka izany?” Hoy izy. Namaly azy ny Anjely fa ny Fanahin’Andriamanitra no hahatanteraka izany.

Ny fanisam-bahoaka

Araka ny baikon’ny emperora dia tsy maintsy nisoratra anarana teo amin'izay toerana nahaterahany ny mponina rehetra. Koa na dia efa bevohoka be aza i Maria dia voatery nifindra tany Betlehema izy sy Josefa.

Ny nahaterahan'I Jesosy

Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo dia nihetsi-jaza i Maria. Noho ny hamaroan’ny mponina tao amin'ny tanàna dia tsy mba nisy toeram-bahiny afaka nandray azy ireo na iray aza. Koa tao an-tranon’omby no niterahan’i Maria ny Zanany lahy, satria tsy nisy toeran-kafa.

Ny namangiana ilay Mpanjaka zazakely

Na dia faran’izay tsotra indrindra aza ilay toerana nahaterahan’I Jesosy, ny fampilazana izany kosa dia tena nanetriketrika. Nisy kintana vaovao niseho teny an-danitra sy anjely marobe izay samy nilaza ny nahaterahany tamin’olona tsy fantatra! Nisy namangy i Josefa sy Maria : voalohany ireo mpiandry ondry avy any ambanivohitra, izay nampilazan’ny Anjely. Avy eo dia avy tamin’ny olon-kendry “avy tany atsinanana” izay nandeha nanaraka ilay kintana iray nanondro ny toerana nisy ilay ‘Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka’.

Ny fitsoahana mankany Ejipta

Mbola kely i Jesosy rehefa tonga nitsaoka azy ireo olon-kendry. Taorian’ny fitsidihan’izy ireo, i Heroda, izay nandre ny nahaterahan’io “mpanjaka” io, dia natahotra ny hifaninana ho amin’ny toerany.  Koa nasainy novonoina ny zazalahy kely latsaky ny 2 taona tany Betlehema. Nisy nampitandrina tanaty nofy i Josefa, ka nandositra tany Egypta izy sy Maria mba hiarovana an’I Jesosy kely.

Fotoam-pahanginana

Taorian’ny nahafatesan’i Heroda dia niverina tany Israely mba honina tany Nazareta ny fianakaviana. Tsy dia mahalala firy momba ny fiainan’I Jesosy isika tamin’izany fotoana izany. Ny hany zavatra hafa voambara momba ny fahazazan’I Jesosy dia ny hoe nihalehibe sy nanam-pahendrena Izy ary nahita fitia tamin’Andriamanitra sy ireo olona nanodidina Azy. Nisy zava-nitranga iray manokana izay azo ambara amintsika anefa. Tsidiho haingana ny fahazazan'I Jesosy.

Ny taona 8 taorian'I Jesosy Kristy

Jesosy tamin'Izy 12 taona tao an-tempoly

Tamin’Izy 12 taona, nandeha nankany Jerosalema niaraka tamin'ny ray aman-dreniny mba hankalaza ny Paska isan-taona i Jesosy. Teny an-dalana hody, tsikaritr'i Maria sy Josefa fa tsy hita tampoka I Jesosy. Rehefa avy nikaroka 3 andro izy ireo, indro hitany niresaka lalina tamin’ny manam-pahaizana I Jesosy. Nibedy Azy izy ireo noho ny amin'ny tahony, fa namaly tsotra Izy hoe “Nahoana no nitady Ahy ianareo?” Hoy Izy. “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon'ny Raiko Aho?”

Ny taona 8 ka hatramin'ny taona 25 taorian'I Jesosy Kristy

Jesosy zatovo ka hatramin'ny naha olondehibe

Fanaon’ny zanaka lahy tamin'izany ny nampiofanina amin'izay asan-drainy. Josefa izay ray teto an-tany nitaiza an’I Jesosy dia nampianatra Azy handrafitra. Tsy manana firaketana ara-baiboly hafa isika ny amin'izay niainan’I Jesosy tamin'izy 12 ka hatramin'ny faha 30 taona. Fa mahaliana be ny maka sary an-tsaina ny amin'izay fomba nitomboany. Ho tsapany fa tsy tahaka ny an’olon-drehetra nanodidina Azy ny Azy.

Fisehoana ampahibemaso an’I Jesosy

Ny taona 26 ka hatramin'ny taona 29 taorian'I Jesosy Kristy

Teo amin’ny faha 30 taonany dia resahina indray ny tantaram-piainan’I Jesosy. Izany dia satria ny tantaram-piainan'I Jesosy dia tsy nosoratana raha tsy am-polo taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Azo inoana fa nitranga teo anelanelan’ny taona 26 sy 29 taorian'I Jesosy Kristy ny zava-nisy tamin'izany.Tsy fantatsika mazava ny daty marina, fa ny fantatsika dia nanomboka nitety ny ambanivohitra sy ny tanàna ary ny tanàn-dehibe I Jesosy.

Tafahaona tamin’olona maro I Jesosy, nitantara tantara, nanao fahagagana. Ity tantaram-piainan'I Jesosy ity dia hitondra anao ho amin'izay tena nanamarika indrindra ny diany teto an-tany.

Niantomboka tamin'i Jaona mpanao Batisa izay nampilaza ny fahatongavan'ilay Mesia efa nandrasana ela. Niantso ireo vahoakan’Israely izy mba hibebaka sy hatao batisa. Jesosy tenany mihitsy no niseho teo amoron-drenirano nisy an’i Jaona tamin'izany.

Ny taona 26 taorian'I Jesosy Kristy

Jesosy natao Batisa

Talohan'ny nisehoan’I Jesosy ampahibemaso dia nitady an'i Jaona, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, Izy, izay nanao Batisa olona vitsivitsy mba hanomboka fiainam-baovao. Nangataka taminy mba hatao Batisa ihany koa I Jesosy. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano I Jesosy dia nisokatra ny lanitra, ka nisy feo mahery nanao “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Nambaran’Andriamanitra fa tena zanany I Jesosy sady ankasitrahany indrindra.

Jesosy tany an-tany efitra

Taorian'izay dia nalefan’Andriamanitra tany an’efitra I Jesosy nandritra ny 40 andro. Nifady hanina sy rano tanteraka Izy tamin'izany. Rehefa afaka kelikely dia tamy ny devoly. Naka fanahy Azy intelo izy : tahaka ny fomba hakany fanahy olombelona no nakany fanahy an’I Jesosy. Nahatohitra ny fakam-panahy rehetra Jesosy tamin'ny alalan'izay voasoratra ao anaty Baiboly. Dia nandao Azy ho irery ny Devoly