• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Finoana

Ny Fiandohan’ny Fiangonana

Ny mbola fijoroan’ny Fiangonana Kristianina nandritra izay taon-jato maro izay ka mandrak’ankehitriny dia mahatalanjona.  Mialohan’ny hirosoantsika bebe kokoa mikasika ny Fiangonana dia zava-dehibe ny manomboka izany amin'ny alalan’ny fanitsiana hevi-diso. Ny atao hoe Fiangonana dia tsy ilay trano; fa ny olombelona.

Ny Fiandohan’ny Fiangonana

Raha maniry ny hahatakatra ny nipoiran’ny Fiangonana Kristianina ianao dia ny bokin’ny Asan’ny Apostoly no tsara indrindra hanombohana izany, ao amin'ny Testamenta Vaovao. Mialoha kelin’ny toko voalohany ao amin'ny Asan'ny Apostoly, I Jesosy (izay ivon’ny Baiboly manontolo) dia novonoin’ireo mpitondra fivavahana teo an-toerana sy ny mpitondra Romana. Azonao vakiana ny tsipiriany momba izany eto. Fa ny hamintinana azy dia I Jesosy nilaza ny tenany ho Zanak'Andriamanitra, ka naharomotra ireo mpitondra fivavahana. Noho izany dia nohelohina ho faty I Jesosy. Na dia nihevitra aza ireo mpitondra fa izy ireo no nifehy ny zava-nisy, dia nahatanteraka ny planin’Andriamanitra izy ireo, ary tontosa arak’izay koa ny fikasan’I Jesosy teto an-tany. 

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Jaona 3:16

Tsy I Jesosy no voalohany sady farany maty noho ny fitiavana, na izay niantsoany azy. Saingy Izy irery ihany no natsanga-ko velona, ary tsy maty intsony mandrakizay! Koa raha tianao ho fantarina hoe avy aiza ny Fiangonana, dia izao no valiny : Jesosy ilay zanak'Andriamanitra, izay teraka olombelona (no sady Andriamanitra feno), niaina teto an-tany, novonoina, ary nitsangana tamin'ny maty ka nakarina ho any an-danitra.

Izay no fototra iorenan’ny Fiangonana.

Rehefa niakatra ho any an-danitra I Jesosy (vakio ny Asan'ny Apostoly) dia nanome toky ny mpianany izy fa handefa ny Fanahy Masina, mba afahan’izy ireo manao izay rehetra nataony ka manohy hatrany ny asa fitoriana eto an-tany. Ny andro iray izay antsointsika hoe Pentekosta, dia ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin'ireo mpianatr’I Jesosy tena mahatoky, ka niantomboka tamin'izay ny Fiangonana.

Ny finoana ny fitsanganana amin’ny maty no vato fehizoron’ny sambo-fiaran’ny finoana kristiana, koa raha esorina izany dia hirodana ny zava-drehetra.
H.P. LIDDON

Izay no ANTONY nahafatesan'I Jesosy

Jesosy dia Andriamanitra, teraka olombelona, izay antsoina hoe “fahatongavana ho nofo”. Nanao izany I Jesosy mba hampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra. Notanterahina izany tamin'ny alalan’ny fiainana sy fahafatesana ary fitsanganan’I Jesosy tamin'ny maty. Ny Efesiana 5 : 25 dia milaza fa “tian'I (Jesosy) Kristy ny fiangonana ka notolorany ny tenany hamonjy azy,” Efa planin'Andriamanitra hatramin'izay ny hanafoana ilay efitra izay mampisaraka antsika Aminy amin'ny alalan’I Jesosy. Koa dia tamin'ny alalan’I Jesosy no nananganana ny “Fiangonana”.

Jesosy mahatanteraka ny zavatra rehetra 

Ny Fiangonana dia hevitra avy amin’Andriamanitra hatramin'izay. Tonga tety an-tany Jesosy mba hanorina ny Fiangonana ary Jesosy irery ihany no mahavita manorina ny Fiangonana. Mazana dia diso hevitra momba izany ny Kristianina, na koa voatarik’izao tontolo izao, na izay heverintsika ho “hevitra marina” ka dia voafitaka.

Hoy Gandhi izay manao hoe “Tiako ny Kristinareo, tsy tiako ny kristianinareo. Tsy mitovy amin'ny Kristinareo mihitsy ny kristianinareo?” Mampalahelo fa misy fahamarinany ihany izany indraindray. Kanefa tsy voatery ho marina koa!

Jesosy tenany no nilaza tamin’ny mpianany fa Izy no hanorina ny fiangonana, Izy no hampitombo izany arak’izay endrika irin’Andriamanitra. (Matio 16 : 18)

Raha Jesosy tokoa no manorina ny Fiangonana dia hataony mitovy endrika Aminy izany, ka na ny olo-malaza Mahatma Gandhi aza ho tia izany!

Hatramin'izay

Ny famaritana ny fiangonana dia : Ny fiangonana no fikambanan'ny mpino marina rehetra hatramin'izay.

Tena zava-dehibe ilay ampahany hoe HATRAMIN'IZAY. Midika izany fa tsy ireo olona mino fa maty ary nitsangana tamin’ny maty I Jesosy ihany no voaray anatin’izany. Ny mahafinaritra dia raisin’Andriamanitra avokoa ireo olona rehetra nino Azy tamin'ny fotoan-dasa, eny na dia tsy mbola tonga nofo aza I Jesosy. Fantatsika izany amin'ny alalan’ny andininy maromaro ao amin'ny Soratra Masina tahaka ny Hebreo 12 : 1. Izay rehetra hita ao amin'ny Testamenta Taloha, ny lalàna, ny mpaminany rehetra, ny mpisorona sy ny sorona dia mitondra mankany amin’I Jesosy avokoa. Ka na dia tsy mbola mahita fiombonana mazava izay antsoina hoe “Ny Fiangonana” aza isika raha tsy manomboka amin'ny Asan'ny Apostoly, dia azo raisina ho anisan'ny fiangonana ihany koa ireo olona rehetra nino teo aloha.

Ny hita maso sy ny tsy hita maso

Ny Fiangonana dia sady hita maso no tsy hita ihany koa. Na dia mizotra mankany amin'ny trano fiangonana andro Alahady ary isika, ny zava-misy dia Andriamanitra irery ihany no mahafantatra izay tena mpino. Mampalahelo fa maro ireo olona izay mpiditra fiangonana saingy tsy manana fifandraisana tsara amin'I Jesosy akory. Mifanohitra amin'izany, misy indray ireo olona izay tsy mpiditra trano fiangonana kanefa tena tsara fifandraisana amin’I Jesosy. (Na dia milaza aza ny Soratra Masina fa tena misy zavatra mahagaga sy ilainy amin'ny finoany izay tsy arak’izy ireo).

Ny eto an-toerana sy maneran-tany

Rehefa miteny isika hoe Fiangonana, dia ny fiombonan’ny vahoakan’Andriamanitra mba hanompo Azy no tiana ambara. Izany dia ilay eo anivon'ny fiaraha-monina sy manerana izao tontolo izao!

ingmar-nolte-LEBQrrLPjMI-unsplash
subhash-nusetti-9tmrYLRL7Ww-unsplash

Isan-karazany

Koa satria rehefa miteny isika hoe “Fiangonana” dia ireo olon-drehetra teo aloha, ny ankehitriny ary ny ho avy izay manaiky an’I Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy no tiantsika ambara, izany hoe hatramin'ny fikambanan’ireo olo-masina rehetra ka mahatalanjona karazany maro samihafa. Amin'izao vanim-potoana izao dia manan-danja be ny teny hoe fahasamihafana, fantatrao ve hoe iza no namorona izany? Andriamanitra! Tsy misy fikambanana izay afa-mitaha amin'ny hatsaran-tarehy, loko ary fahasamihafan’ny Fiangonana.

Fofombady?

In the bible there are many metaphors uses to describe the church for us. But by far most common metaphor that we see used in reference to the church is “The bride of Christ”.

The whole Bible creates a wonderful story arc, it starts in Genesis with creation and a wedding (Adam and Eve) and it ends with restoration and a wedding! The wedding of Jesus to his beautiful bride, the church.


So that is how the church was born, but it’s important to understand the purpose of the church.  Yes, it is a group of people gathered to worship God together. But even more than that it is a foreshadowing of heaven, a wedding feast, filled with people from every tribe, nation and tongue, from all of history past and present.

The whole point, from beginning to end, is that God is a God who wants to BE with his people.

Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Ezekiela 37:27