Mianara mivavaka
Efa nisy fotoana ve ianao niandry ora maro raha nanao antso nitady fanampiana na koa naniry hametraka fitarainana ? Sorena mafy ianao noho izany ka te hanipy ny findainao ? Tsy efa niaina izany avokoa ve ny rehetra ?
Indraindray ny mivavaka dia mitondra fahatsapana toy izany. Tena mila fanampiana mafy ianao na te hitaraina mafy nefa toa tsy afaka mifandray haingana amin’Andriamanitra. Na koa hoe tsy zatra mivavaka ianao dia lasa matahotra sao tsy mety ny fanaonao azy ka mety tsy ho re akory. Mety manontany mihitsy aza ianao hoe ahoana ny ahalalanao fa maheno anao Izy…

Mianara mivavaka tsikelikely !
Na dia tsy hainao aza hoe toy ny ahoana ny mivavaka dia efa nanao ny dingana lehibe ianao. Ny fianarana mivavaka dia manomboka fotsiny amin’ny faniriana hifandray amin’Andriamanitra sy hiresaka Aminy. Efa manana izany faniriana izany ianao matoa mamaky ity lahatsoratra ity, saingy aza mijanona eo, tohizo hatrany fa tsy hanenina ianao.
Dingana Voalohany : Te hifandray
Fantatrao ve fa ny fikarohana dia nahitana fa manodidina ny 49 isan-jaton’ny olona dia mivavaka isan’andro ? Ny firenena afrikana sy arabo no manana salan’isa tena ambony amin’izany, mahatratra hatramin’ny 95 isan-jato amin’ny mponina no mivavaka isan’andro. Mazava ho azy fa tafiditra ao anatin’izany ny fivavahana rehetra ary misy fahasamihafana eo amin’ny hoe iza no ivavahana. Toa mifandray amin’ny maha-olombelona tokoa izany faniriana te hifandray amina hery ambony izany. Amin’ny Lanitra. Amin’ny Mpahary. Na Andriamanitra. Ary eo no fiantombohan’ny zavatra rehetra : ianao maniry hifandray.
Dingana faharoa : Manao safidy
Mba hahazoanao antoka fa tena hifandray amin’Andriamanitra ianao dia tsara ny mahafantatra hoe iza ilay ivavahanao. Mety tsy mahafinaritra loatra ilay ohatra momba ny laharan-tariby diso fa saino hoe raha toa miantso laharana kisendrasendra fotsiny ianao dia ho sarotra ny hahazo ilay olona tena tianao ifandraisana. Toy izany koa ny miaraka amin’Andriamanitra. Mety tsy maintsy hisafidy ny Andriamanitra hivavahanao ianao. Mivavaka amin’i Allah, sa amin’ny tenanao sa amin’Andriamanitra hafa ianao ? Sa mivavaka amin’ilay Andramanitry ny Baiboly ? Na ahoana na ahoana, ilay Andriamanitry ny Baiboly dia te maniry hifandray aminao. Vakio eto ambany ny fanasana avy amin’ny Baiboly :
Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
Dingana fahatelo : Fantaro bebe kokoa Andriamanitra
Azonao dinganina ny dingana 1 sy 2 na mety mbola eo am_pikarohana ianao. Ny dingana faha-3 kosa no dingana manan-danja indrindra. Fantaro ary hoe iza Andriamanitra ary mamantara bebe kokoa momba Azy. Fantaro hoe iza Andriamanitra ary iza no tsy izy. Tsy fivarotana azonao handefasana ny kaomandinao izy. Tsy misy taratasy fitairanana ahafahanao mampiditra ny fahorianao ao. Tsy mijery Izy hoe efa nahavita fitsapana araka ny tokony ho izy ve ianao vao afaka miresaka Aminy. Ireo karazana fiheveran-diso isan-jarazany ireo dia tena manome endrika ratsy an’Andriamanitra.
Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?
Ny fomba tsara indrindra hahalalana hoe iza Andriamanitra, dia ny mianatra izay lazainy amintsika momba ny tenany. Amin’ity andinin-teny eto ambony ity dia mamaritra ny tenany ho “ilay Rainao any an-danitra” Andriamanitra. Ny Ray mendrika dia tia miresaka amin’ny zanany sy mihaino azy ihany koa. Tsy sarotra ny maka sary an - tsaina ny tokony ho toetran'ny ray mendrika na dia manana ray tsy be fitiavana aza ianao. Andriamanitra no Ray tsara indrindra izay tena miahy anao. Ary te hihaino anao izy.
Dingana fahefatra : Lazao amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra
Manana namana azonao iresahana ve ianao ? Izay afaka iresahanao momba ny fiainana, momba ny ambony sy ny ambany mandritra ny ora maro ? Matetika ny tena namana dia ny olona izay mihaino anao. Ary afaka ny ho tena namana ianao amin’ny alalan’ny fihainoana tsara ny namanao. Manana fifandraisana marina ianareo rehefa samy miteny sy mihaino. Toy izany koa ny miaraka amin’Andriamanitra. Maniry ny hihaino izay rehetra momba ny fiainanao Andriamanitra. Izay zavatra manahirana anao, izay zavatra mahasorena anao, izay zavatra tianao sy izay olona tianao. Ny tsara indrindra dia ny mandefa ireo fitarainanao amin’Andriamanitra, azo antoka fa afaka mizara ny fanirianao rehetra Aminy ihany koa ianao. Tsy mila mampiasa teny sarotra be ianao miresaka amin’Andriamanitra. Aoka ho ianao amin’ny maha-ianao anao ianao. Raha mahatsapa fahasahiranana ianao mitady ny teny hampiasaina dia makà aingam-panahy amin’ny vavaka mahazatra na amin’ny Rainay any an-danitra. Na ahoana na ahoana, ny dingana manaraka dia ny fihainoana.
Dingana fahadimy : Ny fihainoana
Eo angamba no tena misy fanelingelenana indrindra ny fifandraisana. Ny dingan’ny fihainoana. Ny vavaka dia lalan-droa mifanena. Andriamanitra dia mihaino. Kanefa mamaly ihany koa izy. Amin’ny fomba ahoana ? Azony atao amin’ny fomba maro izany. Andriamanitra dia mifandray am-po amin’ny olona. Matetika izy no miteny amin’ny alalan’ny zavatra izay mandona ny fonao. Mozika, tononkalo, tantara manokana, torohevitra avy amina namana, amin’ny alalan’ny olona anaty tabajotra. Ny Baiboly ihany koa fomba iray ahafahanao mamantatra hoe iza Andriamanitra ary inona no tiany lazaina aminao.
Manokàna fotoana ihainoana. Anontanio Andriamanitra hoe : “Inona marina no tianao lazaina amiko ?” Ary manokàfa Baiboly ! Mihainoa fampianarana. Mibanjina lavitra mandritra ny fotoana fohy ! Matokia an’Andriamanitra ! Matokia ihany koa ny tenanao fa ho afaka ny hihaino ny feony ianao.
Dingana fahenina : Aoka ho feno fankasitrahana ianao
Misy foana ny zavatra tokony hankasitrahanao. Na dia bitika toy ny ahoana aza ilay fitahiana. Ilay vehivavy alemana Corrie ten Boom dia vehivavy iray voafonja nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, niaraka tamin’ny rahavaviny Betsie izay tsy tafavoaka velona tamin’ny ady. I Corrie kosa dia nitory nanerana izao tontolo izao taorian’ny ady. Hafatry ny famelan-keloka sy fankasitrahana ihany koa. Mitantara ny fomba nisaoran’ny rahavaviny an’Andriamanitra izy noho ny amin’ireo parasy tao amin’ny toeram-ponenany. Noho ireo dia tsy niditra tao amin’ny fonjany ny mpiambina ka afaka nivavaka sy namaky Baiboly niaraka tamina vehivavy hafa maro izy.
Mivavaha ka aza mitsahatra, misaora amin’ny zavatra rehetra.
Dingana fahafito : Tohizo hatrany !
Tohizo hatrany ! Aza mitsahatra mivavaka. Na dia toa mangina aza ny lanitra. Raha te-hianatra hivavaka ianao dia tsy maintsy manao fanazaran-tena. Mety hametraka fanamby amin’ny tenanao mihitsy aza. Ezaho sainina izay mety hiseho. Inona ny fanelingelenana mety hisy.
Fantatrao ve hoe inona koa no mety hanampy anao ? Raketo anaty diary ny vavakao. Soraty izay nangatahanao vavaka. Jereo ireo nisy sy ny ankehitriny dia ho gaga ianao amin’ireo vavaka maro efa nivaly. Tsy tsapanao akory indraindray fa tena mamaly tokoa Andriamanitra.
Mety hanampy anao toy izany koa ny mijery ny manodidina anao. Raha hitanao hoe sarotra ny mivavaka irery dia mangataha amin’olona hivavaka ho anao na hiara-mivavaka aminao. Na alefaso aminay ny fangataham-bavakao. Hivavaka ho anao ny ekipanay.
Mifalia amin’ny fanantenana, miareta amin’ny fahoriana, mahareta amin’ny fivavahana.