• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Fotoam-pialan-tsasatra

Mialoha ny Zoma Masina? Fantaro hoe ny antony iantsoana azy hoe Zoma Masina.

The Chosen – Andiany faha 5 : Mialoha ny zoma masina?

Tsy fantatro hoe andro inona no hamakianao ity, fa alaivo sary an-tsaina hoe tsy maintsy hitsabo nify ianao amin’ny zoma. Fantatrao fa io fandehana any amin’ny mpitsabo nify io dia azo antoka fa tena maharary. Ary na dia hisy fahagagana ary, ka tsy dia ho mafy loatra ny fanaintainana, dia mbola tsy  maintsy handany ny ao anaty poketranao ihany izany…

Tsy dia tena "zoma masina"

Hantsoinao hoe “zoma masina” ve ny zoma toy izany? Na dia fantatrao fa ho tsara kokoa noho ny teo aloha aza ny nifinao aorian'ny fandehananao any amin’ny ny mpitsabo nify? Izany ilay fifanoherana amin'ny iray amin'ireo fety kristianina lehibe: Zoma Masina. Satria amin’io andro io, ny mpino dia “mankalaza” ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, nohomboana — teo amin’ny tanany sy ny tongony — teo ambony hazo fijaliana, fomba nentina nampijaliana fahiny. Tsy tena zoma "masina" marina, sa tsy izany?

 Nahoana àry no antsoina hoe “masina” io Zoma io?

Nefa dia izay no hiantsontsika azy. Ny Kristianina dia mandray ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ho fanehoana fara tampony ny fijaliana sy ny fahoriana, fa koa fanehoana fara tampony ny fitiavan’Andriamanitra. Izany no mahatonga ity Zoma ity, lazaina hoe Zoma Masina. Masina, satria io andro io dia mampiseho amintsika ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra—hatramin’ny farany. Mahakasika ny fitiavan’i Kristy ireo namany—izany hoe ho antsika koa—voasoratra hoe: “dia tia azy hatramin’ny farany.” (Jaona 13:1). Wouh!

Fitiavana hatramin’ny farany

Izany fitiavana izany koa dia hita ao amin’ilay andian-tantara malaza amin’ny fahitalavitra “The Chosen”. Amin’ity andian-tantara ity, dia tsy i Jesosy Kristy ambony na lavitra be no hitantsika, fa tena akaiky, izay tia ny namany, manasa ny tongony, mivazivazy, miara-mihomehy aminy—nefa miara-mitomany aminy ao anatin’ny alahelony koa. Tsy kisendrasendra ny lalan’ny hazofijalian’I Jesosy, fa safidy tamim-piheverana ny hitia hatramin’ny farany, hatramin’ny fara tampony.

“The Chosen” – Andihany faha-5: Ilay fandraisana ny fanasana farany… iray izay haharitra?

Manaraka ny lalan’ny hazofijaliana isika ao amin'ny andihin’ny faha-5 an'ilay horonan-tsary hoe “The chosen”, Ity handihany iray ity dia maneho ny latabatra nivelatra ho amin’ny fanasana farany — fanasana iray izay haharitra. Ny vahoakan’ny Isiraely dia nandray an’i Jesosy ho Mpanjakany, ary mbola niandry ny fanosorana azy ho mpanjaka ny mpianany. Kanefa raha tokony nifanandrina tamin’i fanjakana Romanina i Jesosy, dia novainy ny zava-nisy. Satria voatohatohana ny fahefany izy ireo, ireo mpitondra fivavahana sy mpitondra ara-politika tao amin’ny firenena dia nanao izay rehetra azony atao mba hahazoana antoka fa io fanasana nokasain’i Jesosy Kristy hozaraina amin’ireo namany io no farany. Kanefa izany rehetra izany dia santatry ny Zoma Masina ihany.

Mandrosoa eo amin'ny latabatra!

Raha hanisan’ireo nipetraka teo amin’io latabatra io ianao nandritra io fanasana Farany io—fantatrao fa ho avy ny Zoma Masina aoriana an’io—dia inona no ho tsapanao? Inona no mety nolazainao na nanontanianao an’i Jesosy? Na inona na inona izany, dia afaka mahatoky ianao fa hihaino anao amim-pitiavana sy hanokana fotoana ho anao izy. Satria fantany fa aorian’ny Zoma Masina dia misy Alahady tsara kokoa: Alahadin’ny Paska. Saingy ho avy amin'ny vanim-potoana hafa izany… 😉

 Maniry handalina kokoa momba ny Zoma Masina ve ianao? Manasa anao aho hamaky ilay lahatsoratra hoe: "Inona no nitranga tamin'ny Zoma Masina?" Ny andihany faha-5 amin'ilay horonan-tsara “The chosen” dia afaka jerenao ao amin'ny Prime Video. Ary hita ao amin'ny tranokala the Chosen ihany koa.

 Manasa anao hijery ilay andihan-tantara “The chosen”