Nandrava ny tempoly i Jesosy teo amin’ny lalan’ny Hazofijaliana
Jesosy, ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny The Chosen, dia nandrava ny tempoly teo amin’ny lalan’ny Hazofijaliana. Fa inona no tena nahatezitra mafy Azy?
Ny “Efitranon’ny fahatezerana” sy ny “Efitranon’ny famotehana” dia tena misy. Ary dia tahaka ny fiantso azy mihitsy no zava-misy ao anatiny, izay ahafahanao mamoaka tanteraka ny fihetseham-ponao. Miaraka amin’ny tantanana, kibay, na koa izay rehetra tianao, dia azonao potehina avokoa ny zavatra rehetra - fitaratra, kojakoja efa tonta, vilany tany, eny na dia zavatra tianao entina hopotehina fotsiny aza.
Mamoaka ny hatezeranao amin’ny toerana tsy handratra ny hafa loatra…
Mora azo ny antony mahatonga ity trangan-javatra iray ity ho malaza be. Iza moa no tsy te hamoaka fahasosorana na koa fahatezerana amin’ny toerana iray izay heverina ho tsy hisy loza hitranga?
Ao amin’ny fizarana fahadimy ao amin’ny The Chosen, dia efa ho tahaka ny “Efitranon’ny fahatezerana” no nanaovan’I Jesosy ny kianjan’ny tempoly. Niditra an-keriny teny an-kianja Izy, nivazavaza mafy, nanjera latabatra feno entana, ary nampiasa karavasy mihitsy aza mba handroahana ny olona ka niteraka fandravana bebe kokoa.
Fahatezerana jamba sa fahatezerana efa voadinika?
Rehefa mamaky izany tantara izany isika ao amin’ny Baiboly (Jereo Matio 21:12-13, Marka 11:15-18 ary Jaona 2:13-16), dia maro amintsika no maka sary an-tsaina an’I Jesosy romotra, rakotry ny fahatezerana, mandravarava ny kianjan’ny tempoly. Milaza amintsika ny Baiboly fa tezitra Jesosy satria tsy nampiasaina araky ny maha trano fivavahana azy ny kianjan’ny tempoly.
Nanasongadina marika iray tena manan-danja izay matetika tsy dia voatandrintsika ny The Chosen, izay manova ny zavatra rehetra : nanamboatra karavasy tamin’ny tady aloha Jesosy (Jereo Jaona 2:15). Tsy teo amin’ny talantalana na latabatra no nakany izany. Nipetraka Izy ary nanamboatra azy. Toy ny tony. Fanahy iniana.
Marika iray izay mampitebiteby antsika
Mifanohitra amin’ny fahatezerana jamba izay marika iray izay. Ny olona rakotry ny fihetseham-po dia tsy mamboatra karavasy am-pahatoniana. Midika izany fa tsy fipoahana tampoka ny fahatezeran’I Jesosy, fa fanapahan-kevitra feno fiheverana.
Tena izy ny fahatezerany. Mahery vaika mihitsy aza. Saingy voafehy tsara.
Fahatezerana avy amin’ny fitiavana. Avy amin’ny fidirana an-tsehatra lalina. Avy amin’ny alahelo noho ny nihafaran’ilay toerana, izay tokony ho trano fivavahana. Teo am-pamadihana sy famotehana zavatra, dia niteny I Jesosy hoe : “Mandratra ny foko izao.”
Navadika mba hamoahana zavatra lalina kokoa
Tsy noho ny famotehana tsotra izao no antony namadihana ny latabatra. Navadika izy ireny mba hamoahana zavatra miafina.
Toa milamina avokoa ny zavatra rehetra. Feno fihetsiketsehana ny kianjan’ny tempoly, feno varotra sy naresaka . Saingy lasa takona ao ambadika Andriamanitra : Tsy nampiasaina ho fiderana Azy intsony ilay tempoly. Izay indrindra no tsy zakan’I Jesosy. Ny tranon’ny Rainy lasa natao ho tsena fivarotana, nataon’olona hanalana sorisory amin’ny vola fotsiny.
Fitiavana maharitra aina
Noho ny fitiavan’I Jesosy fatratra ny tranon’ny Rainy no nahatezitra Azy mafy. Tsaroan’ireo mpianany izay voasoratra hoe : “Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy” (Jaona 2:17)
Fa tsy izany ihany. Noho ny fitiavany antsika ihany koa no nahatezitra mafy Azy. Noho ny fiahiany antsika. Fa satria mora variana amin’ny tabataba sy zavatra rehetra izay mitarika ny saintsika isika. Avy eo, eo an-kianjan’ny tempoly, manodidina ireo tabataban’ny varotra, lasa be loatra izany.
Poteho ny tenanao
Izaho sy ianao mety te handeha ho amina toerana tahaka ilay Efitrano fahatezerana mba hampilamina ny fahatezerantsika. Fa tena mandaitra tokoa ve izany? Sa mba manala mavesatra vetivety monja ihany?
Ao amin’ny Baiboly sy The Chosen, asehon’I Jesosy fa azo antoka kokoa ny fahatezerana rehefa eo am-pelatanany noho ny an’ny hafa.
Ka amin’ny manaraka raha te hamotika izay zavatra hitan’ny masonao ianao, aza mitady kibay. Fa poteho kosa ny tenanao amin’ny alalan’ny fandohaliana sy fivavahana, amin’ny fametrahana izany fahatezeranao izany eo am-pelatanan’I Jesosy. Eo izany no azo antoka.