Fiatrehana rari-tsaina | Toro-hevitra avy amin'ny mpanazatra
Tsy voatery ho zavatra ratsy ny rari-tsaina. Ny fisian’ny rari-tsaina na dia kely fotsiny aza dia midika fa mailo tsara amin'ny zava-mitranga ianao. Fa ny rari-tsaina tsy ara-pahasalamana kosa dia efa tantara hafa indray. Raha toa ka maharitra ela ny rari-tsaina dia mety hitarika fitarainana lava izay tsy afaka hialana faingana. Izay no maha-zava-dehibe ny hitadiavana vahaolana ho an’ny rari-tsaina. Satria amin'ny alalan’izay no afahanao misoroka amin'ny toe-batana torovana sy trotraka.

Fomba fiatrehana amin'ny ankapobeny
Zava-dehibe ny mandanjalanja ny fanahy, vatana sy saina. Raha toa ka latsaka ny iray amin'izy telo dia miantraika amin'ny roa ambiny izany. Noho izany dia mety misy antony samihafa ny rari-tsaina (raha tsy efa fantatrao), saingy amin'ny maha mpanazatra ny tenako dia tiako ny mandinika ireo lafiny telo ireo amin’olombelona. Ampiasaiko ny “TotalBalance” ho amin'izany. Anatin’izany ny fijerena ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavin’olona iray. Zava-dehibe ny fahatsiarovan-tena.
Iza ianao fahiny?
Tahaka ny ahoana no nisian’ny olona? Fianakaviana manao ahoana no nipoiranao? Inona no toerana nisy anao teo anivon'ny fianakaviana? Nisy nampijaly ve ianao tany am-pianarana ambaratonga fototra? Sa ianao niaina toe-javatra nilamina tsara?
Iza ianao ankehitriny?
Amin'ny alalan’ny fandalinana ny heri-po anaty dia ho hitanao hoe inona avy no mandany ny herinao ary inona kosa no manome hery anaty anao. Inona avy ireo talentanao? Ahoana no hifanarahan’ireo toetra ananao? Zava-misy tahaka ny ahoana no maharisika anao? Sahaza anao ve ny toerana misy anao?
Ho lasa olona manao ahoana ianao?
Misy lohahevitra 5 izay tsy maintsy hifantohana :
Ny finoana
Ny fitomboana
Ny fankafizana
Ny fitiavana
Ny fiainana ara-pahasalamana
Amin'ny alalan'ny fampiasana ireo lohahevitra ireo no hanatraranao ny tanjona izay hanampy anao hanao ny safidy tsara, izay tsy handairan’ny rari-tsaina mankarary.

Ireo mitarika rari-tsaina
Inona avy no mitarika rari-tsaina? Maro karazany no mety hitarika izany. Ohatra hoe ny rari-tsaina eo anivon'ny toeram-piasana. Mety amiko ve ny toerana misy ahy? Misy mahita ve ny ataoko? Mety ve ny zavatra ataoko? Ny fisalasalana dia matetika mitarika rari-tsaina. Mety ho tsy matoky tena ianao. Ny hafa dia tsara fanahy kokoa, kinga saina kokoa, mahay kokoa. Na koa diso sarotiny loatra ianao. Tianao hizotra araka ny tokony ho izy avokoa ny zava-drehetra. Saingy tsy voatery ho tanteraka foana izany. Indraindray tsy voafehinao ny zava-misy ka mitarika tahotra ho anao izany. Na ihany koa mitady izay hamalifaly ny olon-drehetra ianao, ka lasa ianao indray no tsy faly noho izany. Ny mikasika ny tenanao dia miankina amin'izay heverin’ny hafa na resahin’ny hafa mombanao. Hatramin'ny fahazazana angamba izany. Azonao atao ny mandahatra lisitra mirakitra hevi-diso momba ny tenanao. Ary aza adinoina ny Corona. Ireo fepetra maro, tsy fatokisana sy fiovana goavana dia niteraka fiantraikany goavana tamin’olona. Tampoka teo dia niova ny andavanandrom-piainana. Ny rafitra sy ny filaminana dia tsy hita tampoka. Fiovana tahaka izany dia mety hiteraka rari-tsaina mavesatra.
Torohevitra amin'ny fiatrehana ny rari-tsaina
Samy miatrika ny rari-tsaina avy isika indraindray. Tsy voatery hiahy momba ny fahatrotrahana izao dia izao ianao, fa tsara ny mahatsikaritra rari-tsaina ka mitady vahaolana dieny izao. Amin'ny fomba ahoana? Indreto misy toromarika vitsivitsy:
Alaharo anaty lisitra izay rehetra mampiady saina anao sy izay rehetra mampitombo hery anatinao.
Tanisao avokoa ireo toetra tsara anananao sy ny hoe mampiasa azy ireo amin'ny fomba tsara ve ianao sa mety hahatonga anao hiaina anaty rari-tsaina izany.
Zarao amin’olona atokisanao izany.
Raiso an-tsoratra izay mampiahy anao; eritreritra, zava-misy, fihetseham-po.
Hevero izay azonao atao samirery mba hanenana ny rari-tsaina, alamino ny programanao na tsinjarao amin'ny fomba vaovao ny asanao, ohatra.
Tohizo hatrany ny fikarakarana tsara ny tena amin'ny alalan'ny sakafo ara-pahasalamana, kotrana/fanatanjahantena ary fialan-tsasatra sahaza.
Aza tara mangataka fanampiana.
Tena zava-dehibe ny fahatovangan-tsaina sy fanekena ny rari-tsaina mahazo anao. Ny fanamaivanana ireo famantarana dia matetika vao mainka maharatsy ny fahatsapana ny rari-tsaina.
Zavatra niainana manokana
Raketiko tsy tapaka anatin’ny diariko izay rehetra mampiahy na mitarika rari-tsaina ho ahy. Avy eo dia tsinjaraiko izany arakarak'izay azoko atao mba hamahana ny olana sy izay tsy misy na inona na inona azoko atao amin'izany. Ohatra hoe ny hikarakarako ny zanako na ny hikarakarako ny reniko, satria namoy ny raiko vao haingana aho. Tsy afaka hanova velively ny zava-misy aho fa manome ahy rari-tsaina izany. Ny anjarako dia ny mianatra mamela fotsiny fa fantatro kosa hoe Andriamanitra tsy hamela mandrakizay.

Andriamanitra sy ny rari-tsaina?
Ny finoana an’Andriamanitra no mahatonga ahy lasa tsy mifantoka amin'ny tenako intsony fa mifantoka Aminy. Rehefa manolo-tena Aminy ianao ary miresaka Aminy mikasika izay rehetra mitarika rari-tsaina ho anao, dia atolotrao Azy izany. Matokia Azy, izany hoe “Avotsory ka avelao Andriamanitra” dia fomba iray izay mbola ezahiko ampiharina hatrany.