• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Fanontaniana momba ny fiainana ankapobeny

Ahoana hoy Jesosy momba ny famelan-keloka? | Ireo teny 10 voalohany nolazainy

Raha nisy olona teto amin’ny tantaran’izao tontolo izao izay nanova ny fomba fijery ny famelan-keloka dia i Jesosy. Ny Baiboly dia feno ireo teninb’i Jesosy momba ny famelan-keloka. Nanolotra fomba fijery hafa mihitsy Izy. Ny fifantohana dia tsy amin’ny tenanao fa amin’ny hafa ary ambony indrindra amin’izany dia amin’Andriamanitra.

Ny fanambaran’i Jesosy matetika dia mahery vaika ary mila maka fotoana hisaintsainana azy. Miditra lalina izy ireo ary mihantsy anao. Inona no lazain’i Jesosy momba ny famelan-keloka?

Ny tenin'i Jesosy momba ny famelan-keloka:

Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. 15Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.
Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo
Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony
Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana
Mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay koa izay meloka taminay

Ampahany avy ao amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo.
Matio 6:9-15

Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo
Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
"Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony". Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah
Ny fanoharana momba ny ireo mpitrosa anankiroa

Famelan-keloka

Ankoatra ireo teny nindramina ireo, dia mitantara tsy tapaka koa i Jesosy mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka, izay antsoina koa hoe fanoharana. Ny tantara dia tsy mifototra amin’ny zava-nitranga marina, fa mampiseho ny tena fototry ny zavatra ijoroan’i Jesosy. Eritrereto ny tantaran’ilay Zanaka Adala izay nandany ny lovany ka niverina nandady tany amin’ny rainy. Ny ohatra faratampony amin’ny famelan-keloka nefa koa ny ady anatin’ny rahalahiny mba hanaiky izany famelan-keloka izany.

Efa henonao ve ity fanoharana ity? Nitantara Jesosy momba ity lehilahy izay nanana trosa be. Efa antomotra ho amidy ho andevo izy sy ny fianakaviany. Tsy afaka hanefa ilay vola anefa izy, Nangataka tamin’ny mpanjaka mba omena tombon’andro izyary niantra azy ny mpanjaka ka namela azy sy namotsotra ny trosany iray manontolo. Fa raha tokony ho feno fankasitrahana izy dia nataony azo antoka kosa fa ilay lehilahy iray izay nananany vola kely dia nalefany tany am-ponja. Tezitra mafy ny mpanjaka! Raha voavela ny helokao dia tokony mamela ny hafa amin’ny fonao koa ianao. Matio 18:23-35

Inona no hevitrao momba ny ambaran’i Jesosy mikasika ny famelan-keloka? Iza no tantara miresaka kokoa na tsia aminao?