“Zavatra iray monja” izay manova ny zavatra rehetra
“Matokia an’Andriamanitra!”
Impiry ianao izay no nandre izany teny izany, saingy ao am-ponao ianao no mamaly hoe : “Eny, te hatoky aho, saingy…!”
Izaho koa maniry mba hatoky tahaka izany amin’ny tsindry bokotra tokana. Saingy tsy izany anefa no zava-misy, raha tsy izany dia olona hafa tanteraka aho. Tsy ho toa izao mihitsy ny tenako raha izany, noho ny voninahitr’Andriamanitra irery ihany! Raha tsy nanao “izay zavatra tokana izay” aho, dia hafa tanteraka no fahitanao ahy!
Mialoha ny hiresahana izany, te hitsidika vetivety ny Testamenta taloha aho, tamin’ny fotoana goavana niatrehan’i Josafata. Ny marainan’ny ady lehibe izay niatrehany andiana miaramila telo indray mandeha, izao no baikony tamin’ny vahoakany :
“Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo.” (II Tantara 20 : 20)
Ary aoriana kely : “Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.” (II Tantara 20 : 21)
Iza re no nanampo? Ary inona marina no nitarika ny hetsik’Andriamanitra? Izay indrindra ilay “zavatra tokana” : Fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra.
Aza ny fanahiana no alefa amin’Andriamanitra, fa ny fiderana Azy mandritra ny fotoan’ady - ary hiaino ny fandresenao!
Na dia olo-malaza aza ny tenako - tsy vitako ny hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny tsindry bokotra tokana. Matetika izany dia maneho ady anaty, manohitra ny tsy fahazotoana. Indrindra rehefa mandalo fotoan-tsarotra. Fa mandritra ireny fotoana ireny indrindra no maha zava-dehibe ny fiderana sy fankalazana!
Amin’ny ady eo am-pandohalihana amin’izao toerana izao, raiso ny fandresena amin’ny fiderana ny Andriamanitrao!
Atombohy amin’ilay “zavatra tokana” ny andronao, tiavo ary derao ny Andriamanitrao, matokia Azy : Eny, “Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony” (Araka ny II Tantara 20 : 21)
Amena!